Fanakona-masoandro

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanakona-masoandro dia mitranga rehefa misy ampahany amin' ny Tany voahodidin' ny aloka ataon' ny Volana izay manakana tanteraka na ampahany ny tara-masoandro. Mitranga izany rehefa mifanandrify ny Masoandro sy ny Volana ary ny Tany. Mifanojo amin' ny tsinam-bolana izany hoe ny Volana no akaiky indrindra amin' ny habakabaka ekliptika.  Amin' ny fanakona-masoandro tanteraka, ny kapilan' ny Masoandro dia takon' ny Volana tanteraka. Amin' ny fanakona-masoandro ampahany sy fanakona-masoandro mikivango dia ampahany amin' ny Masoandro ihany no takona.