Hankany amin'ny vontoatiny

Evika Siliņa

Avy amin'i Wikipedia
Evika Siliņa

Evika Siliņa dia mpanao politika mizaka ny zom-pirenen'i  Letônia teraka ny 3 Aogositra 1975 tao Riga, SSR Letonia, FRSS, teo aloha. Teo aloha, izy dia Minisitry ny Raharaha Sosialy tao amin'ny kabinetra Kariņš II.

Izy no praiminisitra Letônia nanomboka ny 15 septambra 2023. Mpisolovava izy, manambady ary manan-janaka telo. Ankoatra ny teny letonianina dia mahay miteny anglisy sy rosiana koa izy.