Elie Rajaonarison
Elie Rajaonarison (15 Novambra 1951 – 27 Novambra 2010) dia poeta, mpanakanto, mpampianatra ary mpiasam-panjakana avy eto Madagasikara . Noheverina ho mpitondra ny fanevan'ny tononkalo Malagasy maoderina ity mpanoratra ity [1], ny angon-tononkalo navoakan'i Rajaonarison dia nahazoany fankatoavana iraisam-pirenena ary efa nadika tamin'ny teny frantsay sy anglisy.
| Elie Rajaonarison | |||
| Ankapobeny | |||
| Anarana | Elie Rajaonarison | ||
| Teraka | 15 Novambra 1951 | ||
| Toerana | Ambatondrazaka | ||
| Maty | 27 Novambra 2010 | ||
| Fiaviana sy ny andraikitra | |||
| Firenena | |||
| Asa : | Mpanoratra Mpampianatra | ||
| Fiainana manokana | |||
| Seha-pitiavana | Ramananarivo Mamisoa | ||
Fiainana manokana
[hanova | hanova ny fango]I Elie Rajaonarison dia mpanoratra malagasy, teraka tamin' ny 15 novambra 1951 tao Ambatondrazaka. Niteraka telo vavy tamin'i Mamisoa Ramananarivo izy [2][3].
Ny 27 novambra 2010 no nodimandry tamin'ny faha 59 taonany i Elie Rajaonarison [2][4].
Asa soratra sy sanganasa
[hanova | hanova ny fango]Poeta sy mpanoratra ary niaro tanteraka ny kolontsaina sy fomba malagasy ny tenany. Amin'ireo mpanoratra nanangana ny Faribolana Sandratra mba ho fampiroborobona ny poezia teo anivon'ny tanora[5].
Voalaza ho nanaitra sy nisarika poeta sy mpanankato malagasy maro noho ny fisehony matetika nitondra ireo sanganasany, tao amin'ny Centre Germano-Malgache (CGM) tao Antananarivo[6]. Samoëla, mpihira malagasy, dia nanonona an'i Elie Rajaonarison tamin'ny hira mitondra ny lohateny hoe "Soly" tao amin'ny rakikirany voalohany, sy Mampirevy (1997), izay nanoro hevitra ireo manana fo sahirana mba hahita fampiononana ao amin'ny tononkalony ("Omeko anao ny tononkalon'i Elie Rajaonarison..."). Maro ny tononkalo nosoranan'i Jacques Prévert no nadikany tamin'ny teny malagasy[2].
Mpanoratra tantara an-tsehatra koa, I Elie Rajaonarison, anisany nahafatarana azy ilay tantara mitondra ny lohanteny hoe Tana-Cergy izay notontosain'ny andiana mpilalao sarimihetsika Malagasy sy Frantsay ary nitety an'i Frantsa ary nahazo laza tsara tamin'izany[7]. Mba hampielezana ny Malagasy amin'ny tontolon'ny teatra, dia nanao fandikana ny asa soratr'i Bernard-Marie Koltès avy amin'ny teny frantsay ho amin'ny teny Malagasy i Rajaonarison ary nahomby izany[2].
Ny fakana sary nataony, dia nahazoany laza teo amin'ny sehatry ny zavakanto[2]. Nanoratra sy nitarika sarimihetsika maromaro izy[1], ary niara-niasa tamin'ireo mpanakanto hafa liana mba hanangana ny Komitin'ny Firenena Malagasy ao amin'ny ICOMOS (International Council on Monuments and Sites) mba hiarovana ny lova ara-kolontsaina sy ara-tantara azo tsapain-tanana an'i Madagasikara[5].
Asa sy fikambanana
[hanova | hanova ny fango]Niasa ho Sekiretera Jeneralin'ny Minisitry ny Kolontsaina i Rajaonarison tamin'ny taona 1990 teo ambany fitondran'ny Filoha Albert Zafy[7], ary mpikambana taloha tao amin'ny antoko politika AVI niaraka tamin'i Norbert Ratsirahonana[2]. Profesora tao amin'ny Oniversiten'i Madagasikara tao Ankatso, Antananarivo, nandritra ny 25 taona mahery izy, ary nasandratra ho lehiben'ny sampana haifiarahamonina tamin'ny asany. Nifantoka tamin'ny kolontsaina, tantara, zavakanto ary fomba fijery izao tontolo izao ny fianarany sy ny fikarohany. Fantatra tamin'ny finoany lalina, ny fitiavany an'i Madagasikara, ary ny toetrany mafana izy[6][7].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano
[hanova | hanova ny fango]- 1 2 Auzias & Labourdette (2008), p. 142
- 1 2 3 4 5 6 "Elie Rajaonarison nous a quittés ce samedi 27 novembre 2010" (in French and Malagasy). Madagate.com. November 27, 2010. Archived from the original on 2010-11-30. Retrieved June 9, 2012.
{{cite web}}: CS1 maint: unrecognized language (link) - ↑ https://poetawebs.e-monsite.com/pages/sorapiainana/page-55-1.html
- ↑ https://www.tiatanindrazana.mg/actualites/poete-universitaire-nodimandry-i-elie-rajaonarison-2714.php
- 1 2 "International Writing Program: Elie RAJAONARISON". University of Iowa. Archived from the original on April 17, 2012. Retrieved January 22, 2012.
- 1 2 Rabe, Patrice (November 29, 2010). "Disparition d'Elie Rajaonarison - Un géant de la littérature malgache s'en est allé" (in French). Midi Madagasikara. Archived from the original on December 5, 2010. https://web.archive.org/web/20101205104602/http://fr.allafrica.com/stories/201011300454.html. Retrieved January 22, 2012.
- 1 2 3 Chataigner, Jean-Marc. "Disparition d'Elie RAJAONARISON, lettre de condoléances de Jean-Marc CHATAIGNER, Ambassadeur de France (30.11.10)" (in French). Ambassade et Consulat Général de France à Madagascar. Archived from the original on January 23, 2013. Retrieved January 22, 2012.