Efraima (zanak'i Josefa)

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Mitso-drano an'i Manase sy i Efraima i Jakoba, sary nataon'i Rembrandt Harmenszoon van Rijn, taona 1656.

I Efraima dia zanaka lahin'i Josefa tamin'i Asnata, sy zafikelin'i Jakoba, ary zandrin'i Manase. Ireto ny zanany lahy: Sotela, Bekera, Tahana (Nomery 26.35), Ezera, Eleada ary Beria (1Tantara 7.20-23).

Ny taranak'i Efraima no namorona ny iray amin'ireo fokon'i Israely roa ambin'ny folo, dia ny fokon'i Efraima izay zana-pokon'i Josefa. Isan'ny taranak'i Efraima i Josefa zanak'i Nona sy i Jeroboama zanak'i Nebata. Isan'ny fokon'i Efraima koa i Josoa (na Jôsoe).

Ny Samaritana amin'izao fotoana izao dia milaza ny tenan'izy ireo ho taranak'i Efraima sy Manase.