Aller au contenu

Dragona

Avy amin'i Wikipedia
dragona

Ny dragona dia zavaboary lehibe manana endrika bibilave na androngo, hita ao amin' ny anganon' ny kolontsaina maro maneran-tany. Ny finoana ny dragona dia samy hafa be arakaraka ny faritra, fa ny dragona amin' ny kolontsaina tandrefana hatramin' ny Andro Antenatenany dia matetika aseho ho manana elatra sy manana tandroka ary efa-tongotra misy hoho maranitra, ary afaka mamoaka afo avy amin' ny vavany. Ny dragona ao amin' ny kolontsaina tatsinanana dia matetika no aseho ho zavaboary miendrika bibilava tsy misy elatra nefa manana tongotra efatra ary manan-tsaina ambony.