Diôlà (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Tovovavy diôlà

Ny Jôlà na Diôlà na Ajamata dia vondrom-poko hita any Senegaly sy Gambia ary Ginea-Bisao. Ny ankamaroan' ny Jôlà dia mipetraka amin' ny tanàna kely miparitaka manerana an' i Senegaly, indrindra any amin' ny faritra Casamance Ambany. Ny fitenim-paritra fototra amin' ny fiteny diôlà, ny fiteny fôgny, dia iray amin' ny fitenim-pirenena enina ao Senegaly.