Aller au contenu

Diôksidana titanina

Avy amin'i Wikipedia
Ôksidana titanina

Ny diôksidana titanina dia fitambarana ôksizenina sy titanina manana raikipohy TiO2 hita ao amin' ny natiora sy amboarina amin' ny fomba indostrialy.

Ity no fandoko fotsy ao amin' ny Colour Index International, ampiasaina betsaka ho mpanamatroka ny loko. Misolo ny fampiasana firaka izay voarara noho ny fanapoizinany. Io koa dia ampiasaina amin' ny famolavolana kôsmetika, amin' ny fanafody ary amin' ny sakafo. Ampiasaina ho hisivana mihoa-bolomparasy amin' ny fanosotra miaro masoandro izy ary afaka manafaingana fiota an-kazavana izay trandrahin' ny fitaovana fanaraha-maso ny fanalana ny fahalotoana sy fanapoizinana eo amin' ny tontolo iainana.