Corbin Bleu

Corbin Bleu Reivers (teraka tamin’ny 21 Febroary 1989 tany Brooklyn, New York) dia mpilalao, mpihira ary mpandihy amerikanina. Anisan’ny rakikira nahazo mpividy betsaka ny Another Side (2007) sy Speed of Light (2009). Ny sarimihetsika nahatonga azy ho malaza voalohany dia ny sarimihetsika mozika High School Musical (2006), izay nilalaovany ny anjara asan’i Chad Danforth.
Fiainany manokana
[hanova | hanova ny fango]Teraka tamin’ny 21 Febroary 1989 izy, tany Brooklyn, New York. [1] Jamaikana-amerikana ny rainy, ary italiana-amerikana ny reniny. Nanomboka niseho tamin’ny sarimihetsika dokam-barotra izy efa tamin’ny roa taona. Rehefa enina taona kosa dia efa niditra tamin’ny tontolon’ny teatra matihanina. Nianatra dihy jazz sy teatra izy, ary nahazo diplaoma avy amin’ny Los Angeles County High School for the Arts (amin’ny teny malagasy: Sekolin’ny Faritran’i Los Angeles ho an’ny Zavakanto). Vita tamin’ny 2007 ny fianarany, ary na dia voaray tao amin’ny Stanford University aza izy, dia nisafidy tsy hanohy fianarana teo.
Asany mpilalao
[hanova | hanova ny fango]Anombohan’ny asany
[hanova | hanova ny fango]Rehefa nifindra niaraka tamin’ny fianakaviany tany Los Angeles izy tamin’ny 1996 dia nanomboka niseho tamin’ny sarimihetsika sy tantara mitohy amin’ny fahitalavitra. Ny anjara asa lehibe voalohany azony dia ny maha-hacker ankizy azy tamin’ny sarimihetsika Catch That Kid (2004) (Sambory ilay Ankizy)[2].
Fahombiazana tao amin’ny Disney
[hanova | hanova ny fango]Lasa nalaza eran’i Etazonia izy rehefa nilalao ny anjara asan’i Chad Danforth tao amin’ny High School Musical (2006), izay nahitana mpijery 7,7 tapitrisa tao amin’ny Disney Channel. Nitarina ny lazany tamin’ny sarimihetsika Jump In! sy ny andiany manaraka ny High School Musical.
Asany taty aoriana
[hanova | hanova ny fango]Rehefa vita ny fifanarahana tamin’i Disney dia nifantoka tamin’ny asa amin’ny sehatra Broadway sy sarimihetsika hafa izy. Hita tao amin’ny tantara mitohy amin’ny fahitalavitra Dynasty izy, ao amin’ny tambajotra CW.
Asany mpihira
[hanova | hanova ny fango]Rakikira solo
[hanova | hanova ny fango]Tamin’ny 2007, ny Hollywood Records (sampan’i Disney) dia namoaka ny rakikira RnB voalohany an’i Corbin Bleu mitondra ny lohateny Another Side (Ila hafa). Fotoana naha-malaza ny mozika RnB tamin’ny taona 2000 ka nahafahana nampitaha azy amin’i Usher, Rihanna, na Justin Timberlake. Nahatratra 120 000 ny kopia voavarotra/ novarotana/ lafo tany Etazonia (araka ny Billboard 200).
Tamin’ny 2009 dia nivoaka ny rakikira faharoa Speed of Light (Hafainganam-pahazavana). Taorian’izany dia nifantoka bebe kokoa tamin’ny mozika ho an’ny sehatra Broadway izy, anisan’izany ny feonkiran’ny Holiday Inn: The New Irving Berlin Musical sy Kiss Me, Kate.
Fisiana amin'ny Wikipedia
[hanova | hanova ny fango]Tamin’ny taona 2013, nisy mpahay siansa avy ao amin’ny Massachusetts Institute of Technology (MIT) nahita fa anisan’ny olona be mpandika teny indrindra ao amin’ny Wikipedia i Corbin Bleu. Eo amin’ny sehatra forum toy ny Reddit dia hita fa mpampiasa iray avy any Arabia Saodita no mety ho nanoratra dika maro amin’ny pejin’i Corbin Bleu, ka nahatonga azy ho isan’ny malaza araka ny fandaminan'ny mpahay siansa.
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Biographie-Corbin Bleu" (Tantaram-piainana - Corbin Bleu). Première. Tahiry tamin'ny 16 Jiona 2025.
- ↑ "Les petits braqueurs (2004)" (Ny jiolahy kely (2004)). IMDB. Tahiry tamin'ny 21 jiona 2025.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- ((en)) corbinbleu.com - Le site officiel Corbin Bleu Archived Martsa 7, 2012 at the Wayback Machine
- ((en)) www.myspace.com/corbinbleu, site officiel de myspace.com
- ((en)) www.imdb.com/name/nm0088298/, site officiel de imdb
