Clermont-Ferrand

Avy amin'i Wikipedia
Ny lembalemba afovoan' i Clermont-Ferrand sy ireo vakin-tanàna manodidina azy.

I Clermont-Ferrand dia tanàna ao afovoan' i Frantsa, ao amin' ny Massif Central ao amin' ny faritr' i Auvergne-Rhône-Alpes. Izy no renivohitra ara-tantaran' i Auvergne ary renivohitry ny departemanta Puy-de-Dôme.

Ny tanàna ankehitriny dia teraka avy amin' ny firaisan' ny tanàna roa nifanandrina taloha, tamin' ny taonjato faha-17, dia i Clermont sy i Montferrand. Ny tanànana galô-rômanan' i Augustonemetum dia niseho taorian' ny fanjavonan' ny metrôpôly averna Nemossos. Avy eo dia naka ny anarana hoe Arvernis izy, avy eo Clermont. Tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-12, ny kômtan' i Auvergne dia nanangana ny tanànan' i Montferrand mpifaninana aminy. Tamin' ny taona 1630 i Louis XIII dia nanao ny fampiraisana ireo tanàna roa ireo araka ny Didy tao Troyes. Ity firaisana ity dia hohamafisin' i Louis XV tamin' ny taona 1731.

I Clermont-Ferrand no kaominina faha-22 be mponina indrindra any Frantsa ary misy mponina 147 284 tamin' ny taona 2020. Ny vangongon-tanànany dia nahatratra ny laharan' ny metrôpôly tamin' ny 1 Janoary 2018 tamin' ny anarana hoe Clermont Auvergne Métropole.