Bohémond I any Antiôkia

Avy amin'i Wikipedia
Bohémond de Tarente, sary nataon' i Merry-Joseph Blondel. Salles des croisades, Versailles.

I Bohemond I any Antiôkia, fantatra ihany koa amin' ny hoe Bohemond any Taranto na Bohemond any Hauteville, dia andrianan' i Taranto nanomboka tamin' ny taona 1089 ka hatramin' ny 1111 ary ny andrianan' i Antiôkia nanomboka tamin' ny 1098 ka hatramin' ny 1111. Teraka tamin' ny taona 1054 izy ary maty tamin' ny vokana Martsa 1111. Amin' ny teny frantsay izy dia atao hoe Bohémond de Tarente na Bohémond Ier d'Antioche. Anisan' ny mpitarika izy tamin' ny Kroazada voalohany, nitarika andian-tafika Nôrmana tamin' ny mankany atsinanana. Nahafantatra ny Empira Bizantina izy tamin' ny alalan' ny diabe fanafihana teo aloha niaraka tamin-drainy, ka izy no mpitarika miaramila za-draharaha indrindra tamin' ilay kroazada.