Asan' i Barnabasy

Avy amin'i Wikipedia
I Barnabasy manasitrana marary, sary nataon' i Paolo Veronese, Musée des Beaux-Arts de Rouen.

Ny Asan' i Barnabasy na Asan' i Barnabà na Asan' i Barnabe dia asasoratra kristiana pseodepigrafa tsy kanônika, izay milaza fa ny mpanoratra azy dia i Jaona Marka, ilay mpiara-dia amin' i Paoly Apôstôly, toy ny hoe manoratra ny tantaran' i Barnabasy, ilay Jiosy Kipriôta izay mpikambana tao amin' ny fiangonana voalohany tany Jerosalema; tamin' ny alalan' ny fanompoan' i Barnabasy dia noraisina tsara tao amin' ny fiangonan' ny apôstôly i Saoly niova fo. Asasoratra pseodepigrafia telo no mifandray amin' ny anaran' i Barnabasy: ny Epistilin' i Barnabasy, nosoratana teo anelanelan' ny taona 70 sy 135, ity Asan' ny Barabasy ity, ary ilay Evanjelin' i Barabasy nosoratana tamin' ny Andro Antenatenany. Tsy nisy nekena ho anisan' ny kanônan' ny Baiboly izy ireo.