Andriambahomanana

Avy amin'i Wikipedia

Andriambahomanana no olona voalohany araka ny fedrà malagasy. Hitan' i Zanahary fa maro anaka Andriambahomanana sy ny vadiny Andriamahilala, ary ireo zanany ireo dia nanan-janaka maro koa. Nitady fahafatesana Andriambahomanana sy Andriamahilala. Nanontanian' i Zanahary ny karazam-pahafatesana tadiavin' izy ireo. Nisafidy ny ho faty tahaka ny ankondro Andriambahomanana ka tamin' ny nahafatesany dia nisy solofo naniry vaovao nisolo azy. Andriamahilala kosa te ho faty sahala amin' ny volana ka maty dia teraka indray isam-bolana[1].

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. Cotterell, Arthur (1979), A Dictionary of World Mythology