Anakara

Avy amin'i Wikipedia

Ny Anakara dia sampan' ny foko Antalaotra-Anakara izay isan' ny vondrom-poko Antemoro. Ny sampana hafa ao amin' io foko antalaotra-anakara io dia ny Anterotry sy ny Antetsimeto ary ny Zafimbolajia. Ny Anakara dia milaza fa taranaka mpiavy avy any Arabia sy Persia, nefa toa avy any Sômalia (avy amin' ny foko atao hoe Dira, zana-pokon' ny Sômaly) rehefa dinihina ny fototarazony, ary misy ampahany avy ao amin' ny Soahily monina amin' ny morontsiraka atsinanan' i Afrika.

Anisan' ny foko antemoro mpanombily ny Anakara (ankoatran' ny Onjatsy, ny Tsimeto, ny Anteony, ny Antalaotra, ny Antesambo, ny Antemahazo sy ny hafa).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Foko ao amin' ny vondrom-poko antemoro