Hankany amin'ny vontoatiny

Punica granatum

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ampongabendanitra)
Ampongabendanitra

Ny Punica granatum dia karazan-javamaniry mamony (anisan' ny Angiospermae) roa ravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Lythraceae, eo anelanelan' ny 5 sy 10 m ny haavony. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe ampongabendanitra. Antsoina amin' ity anarana ity koa ny Punica protopunica izay karazana kely voa kokoa.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]
Ampongabendanitra

Hazo madinika mônôika izay manana salan-kaavo 6 m ny ampongabendanitra. Afaka miaina hatramin' ny 200 taona izy io, saingy mamoa be indrindra ao anatin' ny 20 taona voalohany amoazany. Volondavenona manopy volontany ary mitetika sy misy vakivaky rehefa mihantitra ny hodiny.

Manintsan-dravina ny ampongabendanitra amin' ny ankapobeny, na dia misy ny ovan-karazana sasany maitso lalandava amin' ny toetany sasany. Mifanohitra ny raviny izay manana halava 3 hatramin' ny 7 sm sy sakany 1 hatramin' ny 2 sm.

Vony lahin' ny ampongabendanitra
Vony vavin' ny ampongabendanitra

Mirefy 3 sm ny savaivon' ny voniny mena. Miseho amin' andiany telo izy ireo amin' ny volana Mey ka hatramin' ny Aogositra. Manome ny 90 % amin' ny isam-boany ary mamokatra ny voany lehibe indrindra ny voany avy amin' ny famelanany voalohany. Ny 1/3 amin' ny voniny ihany no mamokatra voa satria lahy ny 2/3 amin' ny voniny.

Voan' ampongabendanitra
Vihim-boan' ampongabendanitra

Mavo na mena manopy volomboasary ny voan' ny ampongabendanitra izay misy vihim-boa be nofony miisa 600 eo ho eo. Tsy amantarana ny fahamasahany ny lokon' ny voany. Raha ny marina dia mena alohan' ny fahamasahany ny hodi-boa ao amin' ny ovan-karazany sasany. Arakaraka ny ovan-karazana, tonga amin' ny fahamasahany ny voa eo anelanelan' ny 5 sy 8 volana aorian' ny famelanan' ny ampongabendanitra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]