Amalona
Fiseho

Ny amalona dia hazandrano isan-karazany, izay lavalava vatana toy ny bibilava sady malama hoditra. Ny karazana tena tondroina apin' io anarana io dia ny ao amin' ny fianakaviana Anguillidae[1][2][3][4], nefa mety hahafaoka ny karazana ao amin' ny filaharana Anguilliformes koa. Midina any andranomasina ny amalona rehefa hanatody.
Karazana efatra ny amalona misy eto Madagasikara, izay saly ao amin' ny fianakaviana Anguillidae sy antoko Anguilla, dia ireto izany;
- Anguilla bengalensis labiata (amalombandana)
- Anguilla bicolor (amalofotsy)
- Anguilla marmorata (amalombandana)
- Anguilla mossambica (amalomainty)
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Blench, Roger. Notes on Malagasy fish names.
- ↑ Bauchot, M-L. & G. Bianchi. 1984. Guide de poisons commerciaux de Madagascar (espèces marines et d’eaux saumâtres). Rome : FAO.
- ↑ Pellegrin, M. Jacques. 1933. Les poissons des eaux douces de Madagascar et des iles voisines (Comores, Seychelles, Mascareignes). Tananarive : G. Pitot et Cie.
- ↑ Richmond, M.D. 2002. A field guide to the seashores of Eastern Africa and the Western Indian Ocean islands (2nd ed). Milan: SIDA/SAREC - University of Dar es Salaam.