Alovera
Fiseho
Ny alovera dia karazan-javamaniry matevin-dravina sy mitahiry ranony be sy mafaitra, avy amin' ny fiabnakaviana Aloeaceae. Aloe vera ny anarany ara-tsiansa. Miely patrana izy io, ary heverina ho karazana manafika any amin' ny faritra maro maneran-tany. Avy any amin' ny Saikanosy Arabika izy io, saingy mitombo any anaty ala any amin' ny toetany trôpikaly sy maina manerana izao tontolo izao. Izy io dia ambolena ho an' ny vokatra ara-barotra, indrindra amkin' ny fitsaboana nentim-paharazana nandritra ny taonjato maro.