Haj Ali Razmara

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ali Razmara)
Haj Ali Razmara

I Haj Ali Razmara na Ali Razmara dia lehibe miaramila sy mpanao pôlitika iraniana, lehiben' ny kômandin' ny tafika iraniana (Sepahbod) izy ary lasa piraiminisitr' i Iràna nanomboka tamin' ny 26 Jona 1950 ka hatramin' ny 7 Marsa 1951. Teraka tao Teheran tamin' ny taona 1901 ary maty tao ihany tamin' ny 7 Marsa 1951. Amin' ny teny persana izy dia atao hoe سپهبد حاجیعلی رزم‌آرا.

Nianatra tao amin' ny Akademia Miaramila ao Saint-Cyr (Frantsa) izy ary nanambady an' i Anwar-el Molouk Hedayat izay niterahany dimy. Ny hoe Razmara dia midika ara-bakiteny hoe "mpiady za-draharaha". I Razmara dia voalaza fa "manana fomba fiasa maty paika, mifehy tena, matotra ary manana finiavana".

Nisy namono teo amin' ny faha-49 taonany izy nandritra ny lanonana natao tao amin' ny Môskean' ny Mpanjaka ao Teheran, famonoana amin' ny alalan' ny tifitra manan-tanjona pôlitika nataon' ny mpikambana iray ao amin' ny fikambanana Fadā'iyān-e Islam (ara-bakiteny: "mpanao soron-tena ho an' ny silamo") notarihin' i Navvab Safavi. Nisy namono izy taoriana kelin' ny namonoan' ny olona an' i Abdol-Hossein Hajir teo alohany tamin' ny toe-javatra mitovy amin' izany ihany koa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]