Al-Muwatta

Avy amin'i Wikipedia
Boky mirakitra ny Al-Muwatta

Ny Al-Muwaṭṭaʾ (arabo: الموطأ, "lalana voahitsaka tsara") na Muwatta Imam Malik (arabo: موطأ الإمام مالك) nangonin' i Imam Malik ibn Anas (taona 711–795) tamin' ny taonjato faha-8, dia iray amin' ireo fanangonana hadita voalohany indrindra, izay ahitana ny lohahevitra momba ny lalàna silamo. Ny Al-Muwatta izay asaoratra malaza indrindra nataon' i Malik, no asasoratra momba ny lalàna voalohany nampiditra sy nanambatra ny hadita sy ny fiqh (afa-tsy ny musnad nataon' i Zayd ibn Ali).

Ny Al-Muwatta dia sanganasa momba ny didy zary lalàna silamo (fiqh). Io no heverina ho ny boky tranainy indrindra momba ny lalàna silamo sy ny hadita miaraka amin' ny Kor'any, loharano fototry ny fiqh.

Ny Al-Muwatta, miaraka amin' ny Sahih al-Bukhari sy ny Sahih Muslim ary ny Musnad an' i Imam Ahmad, dia anisan' ny lahatsoratra fakana tsiahy lehibe momba ny hadita. Ity asasoratra ity dia ahitana hadita miisa 1 720. Ireo dia nalamina araka ny lohahevitra notsinjaraina amina toko 61.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]