Ady Grika-Persiana
Apparence
Ny Ady Medika na Ady Grika-Persiana dia ady nampifanandrina ny Grika tamin' ny Persianan' ny Empira Akemenida tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-5 tal JK. Ny fikomian’ ny tanàna grika any Azia izay nanohitra ny fanjakazakan' ny Persiana no nahatonga izany, ny fidirana an-tsehatr' i Atena hanampy azy ireo dia nitarika valifaty avy amin' ny Persiana. Ny diabe ara-tafika roa nataon' i Dariôsy I sy i Kserksesy I, mpanjaka akemenida, no anisan' ny diabe ara-tafika lehibe tamin' ity ady ity; niafara amin’ ny fandresen’ ny tanàna grika eorôpeana notarihin’ i Atena sy i Sparta izany ady izany.