Advantista Davidiana Mitandrina ny Andro Fahafito

Avy amin'i Wikipedia

The Tehin' ny Mpiandry Ondry na ny Tehina na ny Davidiana dia "sampana" amerikana niala tamin' ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito maneran-tany. Naorin' i Victor Houteff, izay filohany sy mpaminany tamin' ny taona 1929, izany fiangonana izany. Niditra tao amin' ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito i Houteff tamin' ny taona 1919 ary noroahina tsy ho anisan' ity fiangonana ity tamin' ny taona 1930 noho ny fampiroboroboany foto-pampianaran-pinoana diso.

Ny anaran' ny fikambanana ôfisialy dia novana tamin' ny taona 1942 ho Advantista Davidiana Mitandrina ny Andro Fahafito, saingy mbola nantsoin' ny mpikambana sy ny mpitsikera azy ho "Ny Tehina" ("The Rod"). Io vondrona io dia niorina tao amin' ny trano foibeny iray antsoina hoe Ivontoeran' ny Tendrombohitra Karmela (anglisy: Mount Carmel Center) akaikin' i Waco any Texas ary nahatratra ny fara tampony tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1950 izay nahitana mpino an' arivony talohan' ny nizarazarany ho antoko maro samihafa taorian' ny nahafatesan' i Houteff tamin' ny taona 1955.

Ny anarany dia manondro ny famoahan-dahatsoratra voalohany sy manan-danja indrindra nataon' i Houteff, The Shepherd's Rod ("Ny Tehin' ny Mpiandry Ondry"). Ireo vondrona isan-karazany milaza ho omanaraka ny teôlôjian' i Houteff dia mbola fantatra amin' ny anarana hoe Tehin' ny Mpiandry Ondry (anglisy: Shepherd's Rod) na Davidiana (anglisy: Davidians).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]