Adriaan Reland

Avy amin'i Wikipedia
Adrian Reland

I Adrian Reland na Hadrian Reland dia manam-pahaizana neerlandey momba ny teny (filôlôga), sy mpanao sarintany ary ôrientalista, teraka tamin' ny 17 Jolay 1676 tao De Rijp ary maty tamin' ny 5 Febroary 1718 tao Utrecht. Ny anarany dia natao latinina hoe Hadrianus Relandus ary hita amin' ny endrika neerlandeay hoe Adriaan Reland na Reelant. Na dia tsy nandao an' i Nederlandy mihitsy aza izy, na tsy nitsidika ny Tany Masina, dia nandray anjara lehibe tamin' ny haifiteny sy ny fanaovana sarintany momba ny Atsinanana Afovoany sy Azia, anisan' izany i Persia, i Japana ary ny Tany Masina.