Abu Mansur al-Baghdadi

Avy amin'i Wikipedia

I Abū Mansūr al-Baghdādī dia mpanao matematika arabo (960 - 1037), mpahay lalàna safeita, teôlôjiana asarita ary manam-pahaizana manokana momba ny Usūl al-Dīn avy any Bagdad any Iràka. Ny anarany feno dia Abū Mansūr 'Abd al-Qāhir ibn Tāhir ibn Muhammad ibn 'Abdallāh al-Tamīmī al-Shāfi'ī al-Baghdādī (arabo:أبو منصور عبدالقاهر ابن طاهر بن محمد بن عبدالله التميمي الشافعي البغدادي).

Fantatra amin' ny alalan' ny famelabelarana nosoratany mitondra ny lohateny hoe al-Takmila fi-l-Hisab, Tafiditra ao anatin' izany ny fandrosoana teo amin' ny sehatry ny teôrian' ny isa sy ny fanaovana heviteny momba ny asan' ilay mpahay matematika al-Khawārizmī. Mpahay tantaran' ny fivavahana ihany koa izy, ka nahalalana tsara kokoa ny firehana samihafa ao amin' ny finoana silamo.