Orchidaceae

Ny Orchidaceae dia fianakavian-javamaniry mamony anisan' ny be karazany indrindra. Misy eo amin' ny 25 000 hatramin' ny 28 000 ny karazana ao aminy izay mitsinjara amin' ny vondron-karazana 700 hatramin' ny 850. Izany dia 6- hatramin' ny 11 % eo ho eo amin' ny karazana Spermatophyta (zavamaniry misy vihim-boa) rehetra. Atao amin' ny teny malagasy hoe ôrkide ireo zavamaniry ireo. Mametraka azy ao amin' ny filaharana Orchidales ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist, fa ao amin' ny filaharana Asparagales kosa no ametrahan' ny fanasokajiana filôjenetikan' ny APG III azy io amin' izao fotoana izao.
Zavamaniry ahitra ny ôrkide, isan-karazany, misy ravina kely na mivelatra, maniry an-tanety na eo ambonin' ny zavamaniry hafa (epifita), maniry mandavan-taona, misy rizôma na taranja, afaka maniry any amin' ny faritra manana toetany antonony ka hatrany amin' ny faritra mafana. Ahafahany manonitra ny tsy fisian' ny tahiry ao amin' ny voany sy ny tsy fisian' ny faka madinika eo amin' ny fakany ny fiarahany miaina amin' ny holatra bitika. Fianakaviana miely patrana izy io: hita amin' ny faritra mafana ny ankamaroan' ny karazana. Tsy manana ravina ny ôrkide sasany ka manao fôtôsentezy amin' ny fakany na miantehitra tanteraka amin' ny holatra raha momba ny sakafo.
Fanasokajiana
[hanova | hanova ny fango]Zana-pianakaviana
[hanova | hanova ny fango]Mizara ho zana-pianakaviana 5 na 6 ny fianakaviana Orchidaceae:
- Apostasioideae
- Cypripedioideae
- Vanilloideae
- Orchidoideae (tafididtra ao ny Spiranthoideae)
- Epidendroideae
Vondron-karazana sasany manana toetra manokana
[hanova | hanova ny fango]
Angraecum Bory — Ny Angraecum sesquipedale Thouars, nomena anaram-bositra hoe "ôrkiden' i Darwin", dia malaza amin' ny fananany fantsona misy mamimbony izay mahatratra halava 35 sm; io taova io dia nahafahan' i Charles Darwin naminavina tsara ny fisian' ny lolo mpamindra vovobony manana fitrohana mitovy halavany amin' io, dia ny samoina Xanthopan morganii praedicta.
Aracamunia Carnevali & I.Ramírez — Tsy ahitana afa-tsy karazany iray, Aracamunia liesneri Carnevali & I.Ramírez, teratany any Venezoelà; iray amin' ny ôrkide vitsy ahiana ho mpihinana biby izy io noho ny zavatra mipetaka eo am-pototry ny raviny izay misambotra bibikely madinika, na dia mbola dinihina ny fahaizany mandevon-kanina amin' ny alalan' ny anzima aza.

Bulbophyllum Thouars — Tena samihafa ny karazana ao aminy: karazana manana paikady famindrana vovobony mahavariana toy ny Bulbophyllum phalaenopsis J.J.Sm. sy ny Bulbophyllum beccarii Rchb.f., izay mamoaka fofona fatim-biby mahery vaika mba hisarihana lalitra, fa ny Bulbophyllum nocturnum kosa dia tsy fahita firy no ôrkide voarakitra an-tsoratra voalohany mamony amin' ny alina ihany.

Caleana R.Br. — Ny Caleana major R.Br., na "ôrkide ganagana manidina", dia manana vony izay manana enderika ganagana manidina; izy io dia mampiasa felambony fahatelo misarim-bibikely izay manidy tampoka ny bibikely mipetaka eo mba hanerena azy hifandray amin' ny bola kely mpitahiry vovobony mandritra ny sarisarim-piraisana ara-nofo.

Catasetum Rich. ex Kunth — Ity vondtron-karazana ity dia malaza noho ny fomba fanipazany mafy ny vovobony, indrindra ao amin' ny Catasetum saccatum Lindl.; rehefa voakasiky ny bibikely ny ringotra mora tohina amin' ny voniny, ny tranom-bovobony dia voatsipy amin' ny fomba tadrify ary miraikitra avy hatrany eo amin' ny lamosin' ny bibikely mpamindra vovobony.

Cattleya Lindl. — Tena sarobidy amin' ny fambolena voninkazo, ity vondtron-karazana ity dia ahitana ny Cattleya walkeriana Gardner, izay heverin' ny manam-pahaizana ho iray amin' ny ôrkide manitra indrindra eran' izao tontolo izao satria ahenoana fofona vanila sy raozy ary kanelina mifangaro.

Coryanthes Hook. — Fantatra amin' ny anarana hoe "ôrkide sihoa", ny karazana toy ny Coryanthes speciosa Hook. manana felana fahatelo toy ny fitahirizan-javatra feno ranon-javatra namboarin' ilay zavamaniry; ny tantely Euglossini, voasinton' ny fofona, dia miditra ao anatin' io "sihoa" io ary tsy afaka mandositra afa-tsy amin' ny alalan' ny fandady manaraka fantsona tery izay anagonany na ametrahany ny vovobony.

Cynorkis Thouars — Hita indrindra eto Madagasikara, ahitana karazana toy ny Cynorkis uniflora Lindl ity karazana ity, izay misy volo mipetaka eo amin' ny tahony sy ny vondron-dravimbony; na dia misambotra bibikely kely aza izy ireo indraindray, dia azo inoana fa fomba fiarovan-tena izany fa tsy fihinanana biby.

Dendrophylax Rchb.f. — Ny "ôrkide matoatoa", Dendrophylax lindenii (Lindl.) Benth. ex Rolfe, dia karazan-javalanniry tsy misy ravina, izay miantoka tanteraka ny fôtôsentezy amin' ny alalan' ny fakany misy famaitso; toa mitsingevana eny amin' ny rivotra ny voniny fotsy mahafinaritra, satria mifandray amin' ilay hazo amin’ny alalan' ny fakany saika tsy hita maso mipetaka amin' ny hodi-kazo.
Dracula Luer — Ity vondron-karazana ity dia nahazo ny anarany noho ny halavaben' fiitaran' ny ravimboniny izay mampahatsiahy ny nifin' ny vampira, fa ny karazana Dracula simia (Luer) Luer dia malaza kokoa amin' ny ivom-boniny izay maka tahala ny endriky ny rajako, dary mamoaka fofona holatra mba hisarihana lalitra.

Drakaea Lindl. — Ny "ôrkide tandramokitra", toy ny Drakaea glyptodon Fitzg., dia mampiasa fakana tahaka ny fanaovana firaisana tafahoatra; ny felam-bony fahatelo dia mitovy amin' ny fanenitra vavy ary, amin' ny alalan' ny tonona iray, dia mampitraka ny tanteny lahy amin' ny bolam-bovobonin' ilay vony io felam-bony manokana io mba hiantohana ny famindrana vovobony mandritra ny sarisarim-piraisana ara-nofo.
Gastrodia R.Br. — Ity vondron-karazana ity dia ahitana ôrkide mahazo sakafo avy amin' ny holatra, tsy misy famaitso tanteraka, toa ny Gastrodia agnicellus A.N. Mill., izay karazana avy eto Madagasikara matetika lazaina ho "ôrkide ratsy tarehy indrindra eran-tany" noho ny voniny kely miloko manja sy matevina mitovitovy amin' ny vodin-javamairy efa simba.

Gongora Ruiz & Pav. — Ny karazana ao amin' io vondron-karazana io, toa ny Gongora galeata (Lindl.) Rchb.f., dia mamokatra vondrom-bony mikirozaroza manana endrika mampahatsiahy ny endriky ny vorona na bibikely manidina, ary mamoaka fofona masiaka natao hisarihana ny tantely lahy avy amin' ny foko Euglossini.

Grammatophyllum Blume — Ity vondron-karazana ity dia no loha laharana momba ny hangeza noho ny fisian' ny Grammatophyllum speciosum Blume, ôrkide goavana indrindra eran' izao tontolo izao afaka milanja iray taonina, sy ny Grammatophyllum moluccanum Blume, izay manana halava mahatratra 3 m sardy manana voniny an-jatony maro.

Paphiopedilum Pfitzer — Malaza amin' ny felam-bony sahala amin' ny paosy izay mamandrika bibikely mandritra ny fotoana kely, toy ny Paphiopedilum sanderianum Rchb.f., ny felam-bony an-tsisiny izay afaka mirefy efa ho iray metatra ny halavany, izay mpitari-dalana ho an' ny mpamindra vovobony.

Rhizanthella R.S.Rogers — Ity karazana aostraliana ity dia anisan' ny hafahafa indrindra eto an-tany satria ny karazana toa ny Rhizanthella gardneri dia maniry any ambanin' ny tany; tsy misy famaitso, miaina miaraka amin' ny holatra izy ireo ary mamony eo ambanin' ny tany, ka ao izy ireo no amindran' ny bibikely mandavaka ny vovobony.
Sobralia Ruiz & Pav. — Ity vondron-karazana ity dia ahitana ôrkide manana endrika mitovy amin' ny an' ny bararata na volotsangana, anisany ny Sobralia altissima R.B.Singer & D.E.Benn. mitazona ny loha laharana amin' ny haavo noho ny fananany ny taho mahatratra hahavo 13 m mahery any amin' ny alan-drahona any Pero.

Vanilla Mill. — Ny hany karazana ôrkide manana lanja ara-toekarena sy ara-tsakafo lehibe, ny Vanilla planifolia Andrews dia vahy izay tsy maintsy karakaraina amin' ny tanana ny voniny mba hamokatra lavanila; eto Madagasikara, lasa loharanon-karena lehibe ny fambolena azy.
Vondron-karazana misy eto Madagsikara
[hanova | hanova ny fango]
Mizara ho vondron-karazana 700 hatramin' ny 850 ny fianakaviana Orchidaceae maneran-tany. Eto Madagasikara dia misy karazana ôrkide miisa eo anelanelan' ny 900 sy 1 000 any ho any izay mitsinjara amin' ny vondron-karazana 53 hatramin' ny 65, arakaraka ny mpanoratra. Mitana ny 10 % amin' ny zavamaniry misy lalan-dranon-kazo (Tracheophyta) eto Madagasikara ny ôrkidea. Tsy hita raha tsy eto amin' ny Nosy ny 83 % hatramin' ny 90 % amin' ny karazana ôrkide eto Madagasikara. Ny vondron-karazana be mpahalala dia ny Aerangis, ny Angraecum, ny Bulbophyllum, ny Cynorkis, ny Eulophia, ny Eulophiella, ny Jumellea, ary ny Polystachya. Inty ny lisitry ny vondron-karazana orkide eto Madagasikara:
- Acrolophia Pfitzer
- Aerangis Schltr. (syn. Angraecum sect. Aerangis (Schltr.) Garay)
- Aeranthes Lindl. (syn. Aeranthe Rchb.f.)
- Ambrella Schltr.
- Angraecopsis Schltr. (syn. Coenadenium (Summerh.) Szlach.)
- Angraecum Bory (syn. Angorchis Thouars; Macroplectrum Pfitzer)
- Arnottia A.Rich.
- Auxopus Schltr.
- Beclardia A.Rich.
- Benthamia A.Rich. (syn. Habenaria sect. Benthamia (A.Rich.) H.Perrier)
- Brachycorythis Lindl. (syn. Gyaladenia Schltr.)
- Brownleea Harv. ex Lindl.
- Bulbophyllum Thouars (syn. Cirrhopetalum Lindl.; Phyllorkis Thouars)
- Calanthe R.Br. (syn. Alismorkis Thouars)
- Cheirostylis Blume
- Corymborkis Thouars (syn. Corymborchis Thouars)
- Cryptopus Lindl.
- Cymbidiella Rolfe
- Cynorkis Thouars (syn. Zeiugos Radcl.-Sm.; Imerinaea Schltr. parfois inclus)
- Cyrtorchis Schltr. (syn. Homocolleticon (Summerh.) Szlach.)
- Didymoplexis Blume (syn. Apetalon Wight)
- Disa Berg. (syn. Herschelia Lindl.)
- Disperis Sw. (syn. Dryopeia Thouars)
- Erasanthe P.J.Cribb, Hermans & D.L.Roberts (syn. Aeranthes sect. Erasanthe Schltr.)
- Eulophia R.Br. (syn. Lissochilus R.Br.; Cyrtopera Lindl.)
- Eulophiella Rolfe
- Galeola Lour.
- Gastrodia R.Br. (syn. Epiphanes Blume)
- Goodyera R.Br. (syn. Orchiodes Kuntze)
- Grammangis Rchb.f.
- Graphorkis Thouars (syn. Eulophia sect. Graphorkis (Thouars) Benth.)
- Habenaria Willd. (syn. Bonatea Willd.; Kryptostoma (Summerh.) Geerinck)
- Hetaeria Blume (syn. Etharia Endl.)
- Holothrix Rich. ex Lindl. (syn. Tryphia Lindl.)
- Jumellea Schltr. (syn. Angraecum sect. Jumellea (Schltr.) Garay)
- Lemurella Schltr.
- Lemurorchis Kraenzl.
- Liparis Rich. (syn. Leptorkis Thouars; Stichorkis Thouars)
- Malaxis Sol. ex Sw. (syn. Microstylis (Nutt.) Eaton)
- Megalorchis H.Perrier
- Microcoelia Lindl. (syn. Gussonea A.Rich.; Encheiridion Summerh.)
- Microterangis (Schltr.) Senghas
- Neobathiea Schltr. (syn. Bathiea Schltr.)
- Nervilia Comm. ex Gaudich. (syn. Aplostellis Thouars)
- Oberonia Lindl. (syn. Iridorkis Thouars)
- Oeceoclades Lindl. (syn. Eulophidium Pfitzer)
- Oeonia Lindl. (syn. Aeonia Lindl.)
- Oeoniella Schltr.
- Paralophia P.J.Cribb & Hermans (syn. Eulophia p.p.)
- Pectinariella Szlach. (matetika ampidirina ao amin' ny Angraecum)
- Phaius Lour. (syn. Tankervillia Link)
- Physoceras Schltr.
- Platylepis A.Rich. (syn. Erporkis Thouars)
- Polystachya Hook. (syn. Dendrorchis Thouars)
- Satyrium Sw. (syn. Diplecthrum Pers.)
- Sobennikoffia Schltr.
- Tylostigma Schltr.
- Vanilla Mill. (syn. Vanillophorum Neck.)
- Zeuxine Lindl. (syn. Adenostylis Blume)
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Orchid pictures on biocrawler.com Archived Mey 22, 2010 at the Wayback Machine
- Encyclopedia of Tropical Orchids Archived Aprily 15, 2021 at the Wayback Machine
- Kew checklist Archived Martsa 12, 2007 at the Wayback Machine
- Orchid Photo Encyclopedia
- Report on pollination tactics by orchids