Tontolo Tandrefana

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany maneho nyTontolo Tandrefana (miloko manga) sy ny Tontolo Ôrtôdôksa ary i Amerika Latina (miloko manga tanora) izay mitambatra amin' ny Tontolo Tandrefana na mifamatotra lalina aminy.

Ny Tontolo Tandrefana na Sivilizasiôna tandrefana dia faritra ara-kolontsaina izay qmin' ny anlapobeny mandrakotra ny ampahany be amin' i Eorôpa sy i Amerika Avaratra ary i Aostralazia amin' ny famaritana hentitra azy indrindra. Ny fiarahamoniny ankehitriny dia vokatry ny sivilizasiôna grika-rômana (filôzôfia sy siansa ary lalàna) sy ny fivavahana kristiana (sampana katôlika sy prôtestanta). Ny fampiasana io teny io amin' izao fotoana izao dia midika ihany koa ny fampifanoherana azy sisa amin' izao tontolo izao, na amin' ny faritra iray na maromaro hafa manan-kery eto amin' izao tontolo izao toy ny Tontolo Arabo, ny Tontolo Sinoa na ny tontolon' ny fitaomana Rosiana. Tany am-boalohany, io fampifanoherana io dia nampiharina amin' ny Tontolo Tatsinanana.

Ny fizaràn' ny Empira Rômana ho Empira Atsinanana sy Empira Andrefana tamin' ny taona 395 dia manamarika ny fisehon' ny anarana hoe "Tandrefana" mba hanondroana ny tapany andrefana amin' ny Empira Rômana mitambatra taloha.

Ny hevitra ara-pôlitikan' ny Tontolo Tandrefana dia niseho tsikelikely nanomboka tamin' ny taona 285, miaraka amin' ny fivakisan' ny Empira Rômana, rehefa niforona nanodidina an' i Rôma ny Empira Rômana Andrefana, izay mampiasa ny abidy latina, sy ny Empira Rômana Atsinanana, izay mampitambatra ny faritany helenistikan' i Grisia, i Anatôlia, i Ampiposahana ary i Ejipta, dia niforona nanodidina an' i Kônstantinôpla. Na izany aza, io fizaràna teo ambany fahefan' i Diôklétiano io dia momba ny fitantanan-draharaha aloha (foto-kevitry ny tetrarkia) ary tamin' ny taona 395 sy ny fahafatesan' i Teôdôsio I no lasa lova ny fisarahana teo amin' ny roa tonta, nitohy anena ny fiaraha-miasa matanjaka, indrindra fa momba ny fitsarana sy ny fanaovan-dalàna, teo amin' ny ampahany roa.

Fifaranan' ny fananiham-bohitra ny Empira Rômana nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 sy nandritra ny taonjato faha-5

Ny fihenan' ny herin' ny Empira Rômana Andrefana dia niafara amin' ny faharavan' ny firaisankina ara-pôlitika tandrefana tamin' ny taona 476. Ny fianjeran' i Rôma tamin' io taona io dia nitarika korontana ara-pivavahana be dia be, ka ny Kristiana kalkedôniana (izay nisaraka tamin' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa tatỳ aoriana), dia voatery niatrika ny fanafihan' ny Barbariana mpanompo sampy. (toy ny Franka) sy ny Ariana (Visigôty sy Ôstrôgôty, Vandala). Na izany aza, ireo vahoaka vitsy anisa indrindra tao amin' ny fizaràn-tany resy ireo dia niova finoana haingana, izay nitarika ho amin' ny fiitaran' ny fitaoman' ny Eglizy Katôlika Rômana nankany Eorôpa Avaratra sy Eorôpa Afovoany. Ny fandrosoan' ny Omaiada mankany Espaina taorian' ny ady tao Guadalete dia nosakanan' i Charles Martel, izay nandresy tao Poitiers tamin' ny taona 732, ka nahafahana nanamafy ny herin' ny Franka amin' ny maha mpiaro sy mpiady ara-tafika azy ho an' ny finoana kristiana any Eorôpa. Tao anatin’ izany toe-javatra izany no nandraisan’ i Charlemagne anaram-boninahitra hoe Emperoran' i Andrefana tamin' ny taona 800, ary novolavolaina ny fikasam-panambadiana ny Emperoravavy Irena atenianina any Atsinanana, mba hampiraisana indray ny Empira Rômana sy ny tontolo kristiana.

Tamin'ny 1078, ny Tiorka Seljokida dia nandrara ny mpanao fivahiniana masina kristiana tsy hiditra ao Jerosalema, ka izany dia nitarika tamin' ny taona 1096 ny fiandohan' ny Kroazada izay nanombohan' ny Tandrefana, indrindra fa ny andriana franka, nanao diabe mitam-piadiana nankany amin' ny "Tany Masina", tamin' ny voalohany noho ny antson' ny emperora bizantina Aleksiôsy I Kômnenôsy. Nandritra izany fotoana izany, ny fisaraham-bazana tamin' ny taona 1054 dia nanamarika ny fisarahana teo amin' i Rôma sy i Kônstantinôpla, ary koa ny fanamafisan' ny Papa tao Rôma hanohitra ny mpikambana hafa tao amin' ny Pentarkia, ary nanohitra ny emperora bizantina, ka izany dia nitarika ho amin' ny fisarahana teo amin' ny Kristiana katôlika, izay nanaiky ny fahambonian’ ny Papa, sy ny Ôrtôdôksa, izay nitoetra ho mahatoky tamin’ ny Patriarka ekiomenikan' i Kônstantinôpla. Ny Kroazada fahefatra, izay nahodin' ny Repoblikan' i Venesia, dia niafara amin' ny fanaovan' ny mpanao Kroazada fahirano an' i Kônstantinôpla. Izany dia nampahalemy ny Empira Atsinanana, izay tsy afaka nandresy ka nahazo an' i Kônstantinôpla ihany raha tsy tamin' ny taona 1261 ary tsy afaka nanohitra ny fanafihana vaovao nataon' ny Tiorka ao Anatôlia Andrefana izay niafara amin' ny fiforonan' ny Empira Ôtômana, nefa lasa nampanomboka ny Renaissance tany Andrefana.

Ny dia lavitra lehibe tamin' ny Andron' ny fahitana zava-baovao nanomboka tamin' ny taonjato faha-15

Nanomboka tamin' ny taonjato faha-15, izao tontolo izao dia niaina fiovana roa lehibe: ny Fanavaozana Prôtestanta izay nandrava ny lamina tao amin' ny kristianisma tandrefana sy ny fahazoan' ny Ôtômana an' i Kônstantinôpla. Ny faharesena sy ny fahazoana an' i Granada tamin' ny taona 1492 dia nanamarika ny fiafaran' ny Reconquista tao amin' ny Saikanosy Iberika tamin' io fotoana io ihany. Nandao ny Lalan' ny Landy ny firenena eorôpeana ka nanomboka nitady lalana vaovao ho any India: io vanim-potoana antsoina hoe "Andron' ny fahitana zava-baovao" io dia nitarika ny fandresena miandalana nahazoana ny "Tontolo Vaovao". Taorian' izay dia nisy ny vanim-potoan' ny fandrosoana ara-teknika, ny fananganana tombim-barotry ny mpanjanaka izay lasa empira mpanjanaka rehefa nandeha ny fotoana, ny "Taonjaton' ny Fahazavana" ary farany ny revôlisiôna indostrialy. Ny Empira Rosiana dia nanjary nihatandrefana nanomboka tamin' i Petera Lehibe, izay te-hanavao, araka ny môdely frantsay, ny fiaraha-monina rosiana izay tsy afaka nivoatra noho ny fisian' ny tombontsoa manokana taloha, nefa ny fahatongavan' ny Firaisana Sôvietika dia nitarika, nandritra ny tapany faharoa amin' ny taonjato faha-20, ny Ady Mangatsiaka sy nahatonga an' izao tontolo izao hizara roa, ka ny ampahany iray nanjakazakan' i Etazonia sy ny firenena mpiara-dia aminy ao anatin' ny Vondron-tany andrefana, nalamina manodidina ny fiaraha-miasa maro, ka ny tena lehibe dia ny Fikambanan' ny Fifanarahan' i Atlantika Avaratra (OTAN); ary ny ampahany iray hafa kosa, nanjakazakan' ny Firaisana Sôvietika sy ny firenena kôminista hafa tao amin' ny Empira Sôvietika, izay mahaforona ny Vondron-tany atsinanana.

Tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21 dia ekena amin' ny ankapobeny fa ny "Tonto Tandrefana" dia ahitana an' i Eorôpa Andrefana (izany hoe ny Vondrona Eorôpeana, ny Fanjakana Mitambatra, ary ny Fikambanana Eorôpeana momba ny Varotra Malalaka (Association européenne de libre-échange na AELE), i Kanada, i Etazonia, i Aostralia ary i Zelandy Vaovao. Amin' ny fampitahana azy amin' ny hoe Atsinanana Indrindra, sy mba hanamafisana ny maha akaiky azy amin' ny Tontolo Tandrefana, ny firenena any Amerika Latina dia antsoina indraindray hoe "Andrefana Indrindra". Ny vahoakan' ny firenena any amin' ny Tontolo Tandrefana dia antsoina matetika hoe "Tandrefana". Ny Tontolo Tandrefana dia misy olona eo amin' ny 950 tapitrisa eo ho eo amin' ny famaritana voafetra indrindra (Eorôpa katôlika sy prôtestanta sy Amerika Avaratra ary Aostralazia), ary olona eo amin' ny 1,6 lavitrisa raha ampidirintsika ao Amerika Latina.