Sava
Avy amin'i Wikipedia
Ny faritra sava nolokoina mena
Ny faritra Sava dia faritra ao amin'ny faritan' Antsiranana, any avaratr'i Madagasikara. Ny renivoohiny dia Sambava. Ny faritany dia ao amin'ny amorontsiraka avaratra atsinanan'i Madagasikara. Izy io dia mizara sisintany amin'ny faritra Diana, any avaratra andrefana, ny Sofia any atsimo andrefana ary ny faritra Analanjirofo any atsimo. Ny isam-ponina dia 805 300 tamin'ny 2004 ary ny velarantany dia 25 518 km2.
Ny faritra Sava dia voazara distrika efatra : Sambava, Antalaha, Vohemar ary Andapa. Ny anaran'ny faritra dia avy amin'ny lohasoratr'ireo distrika ireo : Sambava, Antalaha, Vohemar ary Andapa. Ireo tanàna ireo dia milaza-tena ho « Renivohitry ny lavanila », satria io faritra io no tena mpamoaka lavanila indrindra eto an-tany.