Laharam-pehintany

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Bola maneho ny laharam-pehintany (miloko mena) ary ny laharan-jarahasina

Ny laharam-pehintany dia fampahalalana manome ny fahavaratana na ny fahatsimoana eo amin'ny velaran'ny tany, fajiry na velarana mitelorefy. Ny laharam-pehintany faha-0 dia ny fehibe ary ny laharam-pehintany faha-90 dia ny tendrontany Avaratra (raha 90°N na +90° no voalaza anatin'ilay fangitra) na Atsimo (raha 90°S na -90°). Miaraka ampiasaina amin'ny laharan-jarahasina ny laharam-pehintany hahafantarana tsaratsara kokoa ny fisian'ny toerana eo amin'i Tany.

Ireo laharam-pehintany[hanova | hanova ny fango]

Misy laharam-pehintany manana anarana manokana : ny laharam-pehintany faha 66°33′39″ izao dia faribolan-tendrontany. Any amin'ny faritra avaratra na atsimo kokoa noho io (arakaraky ny ilabolantany isiana) dia ahitana ny Masoandro mandritra ny andro iray manontolo (24 ora) mandritra ny enim-bolana eo ho eo ; izany hoe mazava foana ny andro ; ary maizimaizina foana ny andro mandritry ny enim-bolana.

Misy koa ny laharam-pehintany izay mikasika ny fehibe rehefa tonga ny saolistisy ; ny laharam-pehintany mikasika ny fehibe ny 21 Jiona dia antsoina Trôpikan'ny Asorotany ; ary ny laharam-pehintany mikasika ny fehibe ny 21 Desambra dia antsoina Trôpikan'ny Adijady.

Fanoratana[hanova | hanova ny fango]

Ny litera grika phi (φ) no ampiasaina hanoratana ny zoro mamaritra ny laharam-pehintany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]