Lakandranon'i Mozambika
Avy amin'i Wikipedia
Ny lakandranon'i Mozambika dia sampan'ny ranomasimbe Indiana mampisaraka an'i Madagasikara amin'i Afrika, tandrify indrindra an'i Mozambika.
[Ovay] Ireo nosy
Any avaratra, eo anelanelan'i Madagasikara sy ny kontinenta afrikana no misy ny tamba-nosy Kaomory.
Ao ihany koa ireo nosy kely - ankoatra ny nosy Tromelin izay mitokana any amin'ny ranomasimbe indiana - izay eo ambany fiadidian'i Frantsa ka antsoina hoe "Nosy miparitaka" : ny nosy Glorieuses, Juan de Nova, Europa ary Bassas da India.
[Ovay] Ny tombon-tsoa atolony
Ahitana ireo toerana fitiliana ny toetr'andro sy ny fihavian'ny rivo-doza ireo nosy kely miparitaka ao amin'io lakandrano io.
Maro ireo sambo mpitatitra solintany no mandalo ao.
Mahamora ny fiarovana ny fitaterana an-dranomasina sy an'habakabaka iraisam-pirenena ihany koa ao, indrindra ny fifamoivoizana Madagasikara-Djibouti-Madagasikara, na Maorisy-Kenya-Maorisy.