Dôlara

Avy amin'i Wikipedia
Dôlara amerikana

Ny dôlara na dollar dia vola ampiasaina ao amin' ny firenena maromaro toa an' i Aostralia, i Kanada, i Hong Kong, i Zelandy Vaovao, i Singapôro, i Etazonia ary firenena hafa ao Karaiba, ao Azia, ao Amerika Atsimo ary aty Afrika. Toy izao ny evany: $ na D.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe dollar izay nohagasina hoe dôlara dia avy amin' ny teny alemana taloha hoe Daler na Taler, nohafohezina avy amin' ny anarana hoe joachimsthaler, anaran' ny vola madinika volafotsy misy ny sarin' i Sankt-Joachimsthal (amin' ny teny alemaina) na Jáchymov (amin’ ny teny tseky), noforonina tamin' ny taona 1519 tany Alemaina. Ankehitriny i Jáchymov dia tanàna ao amin' ny distrika sy faritra Karlovy Vary, any Tsekia.

Tatỳ aoriana dia nisy vola madinika volafotsy nantsoina hoe peso duro ("dôlara mafy", araka ny iantsoan' ny Anglô-Saksôna azy) natao tany Espaina ary nampiasaina betsaka tany amin' ny zanatany espaniôla sy anglisy tany Amerika.

Ny dôlara any amin' ny firenena sasantsasany[hanova | hanova ny fango]

Dôlara aostraliana[hanova | hanova ny fango]

Dôlara aostraliana

Nandray ny rafitra ara-bola tafolo i Aostralia tamin' ny taona 1966, ka nanolo ny rafitra taloha, dia ny livre sterling izay nanankery any amin' ny firenena ao amin' ny Commonwealth. Ny dôlara aostraliana dia mitentina 100 cents.

Dôlara kanadiana[hanova | hanova ny fango]

Dôlara kanadiana

Noraisin' i Kanada ny rafitra ara-bola tafolo tamin' ny taona 1867. Nozaraina ho dollar sy cent ary ampaharivon' ny dollar ny vola kanadiana; ny fenitra ara-bola dia nametra ny sandan' ny dôlara ho 2,58 gramam-bolamena.

Dôlara neô-zelandey[hanova | hanova ny fango]

Ny lalàna momba ny vola tafolo tamin' ny taona 1964 dia nampiditra ny rafitra vola tafolo tany Zelandy Vaovao. Ny dôlara neô-zelandey dia mizara ho 100 cent ihany koa.

Dôlaran' i Hong Kong[hanova | hanova ny fango]

Dôlaran' i Hong Kong

Ny dôlaran' i Hong Kong dia nanomboka nivoaka tamin' ny taona 1863;

Ny dôlara amerikana[hanova | hanova ny fango]

Taorian' ny Ady ho an' ny fahaleovan-tenan' i Etazonia, ny Continental Congress dia nandray ny rafitra ara-bola tafolo. Ny dôlara voalohany namboarina tany Etazonia dia navoakan' ny governemanta federaly tany Philadelphia tamin' ny taona 1794: dôlara volafotsy misy volafotsy madio 371,25 g ary dôlara volamena misy volamena madio 24,75 g. Nanomboka tamin' ny taona 1934, ny vola mivezivezy, na vola taratasy na vola madinika, dia vola voafaritra araka ny fahefa-mividiny fa tsy nisy fifandraisany amin' ny lanjam-bolamena intsony. Ny dôlara volafotsy dia nampiasaina hatramin' ny taona 1965 izay taona nanjavonan' izy rehetra, satria nihoatra ny sanda misoratra aminy ny sandan' ny metaly ao aminy. Ny dôlara amerikana no vola tahiry voalohany eran-tany saingy tamin' ny taompolo 1990 dia toa manamarika ny fiafaran' ny fanjakazakany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]