Coca-Cola

Avy amin'i Wikipedia
1941, Montreal, Canada.
Coca-Cola

Ny Coca-Cola (Coke any Amerika Avaratra, any amin'ny firenena eoropeana ary afrikana sasantsasany) dia zava-pisotro zarain'i The Coca-Cola Company. Marika napetraka amerikanina izy io nanomboka ny taona 1886.

Ny fiavian'ny anaran'io zava-pisotro io dia avy amin'ireo mpanorina azy : ny ravina coca ary ny fampiasana voany kolà. Tany am-boalohany izy io natao ho fanafody ho an'ireo olam-bavony sy ny aretim-pivalanana.

Eo amin'ny 1,5 miliara eo no izan'ireo tavoahangy Coca-Cola lafo isan'andro erak'izao tontolo izao.

Fizarazarana ilay zava-pisotro manerana ny tany[hanova | hanova ny fango]

Ny Coca-Cola dia manana endrika tavoangy izay napetraka ny taona 1916.

Ny orinasa natao ho mpizarazara ilay zava-pisotro ao Madagasikara dia ny orinasa an-toerana Star, izay mivarotra ihany koa ny labiera THB ary mpizarazara ny marika hafa toa i Sprite, na Fanta.

Any amin'ny firenen'i Amerika Afovoany sasany toa ao El Salvador, dia azo vidiana anaty kitapo plastika mora levona ny zava-pisotro Coca-cola. Ny tanjon'izy io hono dia hampihena ny fampiasana ny tavoahangy plastika izay ela be vao levona.[1]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]