Bôlivia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Bolivia)
Sainan' i Bôlivia
Toerana misy an' i Bôlivia
Sarin-tanin' i Bôlivia

I Bôlivia dia firenena ao Amerika Atsimo tsy manana morontsiraka. Ny renivohiny dia i Sucre. Mirefy 1 098 581 km2 ny velaran-taniny ary niisa 10 027 254 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr' ora dia −4.

Miavaka noho ny fisian' ny tandavan-tendrombohitra Andes any amin' ny ilany andrefana amin' ilay firenena ny vohon-tanin' i Bôlivia. Mizara ho faritra ara-boajanahary telo ny tanin' ity firenena ity: ny faritra be lembalemba (Altiplano), sy ny faritra be lohasaha lalina anirian-kazo sady voatondraka tsara (Yungas), ary ny faritry ny tany lemaka (Llanos). An' i Bôlivia ny ampahany amin' ilay farihy lehibe indrindra any Amerika Atsimo, dia ny farihy Titicaca.

Ny ankamaroan' ny mponina any Bôlivia dia Amerindiana (Ketsoa sy Aimara, izay 50 %n' ny mponina). Ny safiotra no mitana ny laharana faharoa (30 %), ny manam-piaviana eorôpeana (indrindra espaniôla) no laharana fahatelo (15 %). Ny katôlisisma no fivavahana manjaka any.

Uyuni

Saika ny antsasaky ny mponina miasa no misahana ny asam-pambolena, ka ny tena volena any dia ny vomanga, ny fary, ny landihazo, ny kafe ary ny voamadinika. Ny fanodinana ny vokatry ny fambolena ho sakafo sy ny fanamboarana lamba ary ny fandrafetana hazo no taozava-baventy mandroso indrindra any. Manana ny maha izy azy koa ny fitrandrahana ny harena an-kibon' ny tany (indrindra ny firapotsy sy ny volafotsy). Reraka noho ny tsy filaminana ara-pôlitika sy ny tsy fananany morontsiraka ny toekaren' i Bôlivia. Lehibe loatra ny tsy fitovian' ny fari-piainan' ny mponina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Amerika: Antigoa-sy-Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô - Venezoela

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.