Ala

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ala anaty valam-pirenena any Soisa
Ny ala amazônianina any Brezily : ala mikitroka

Ny ala dia toerana be hazo maniry. Misy dikany maromaro ampiasaina ho an'ny ala, mifototra amina fepetra maro. Ny ala dia mandrakotra ny 9,4%-n'ny tany na 30% hatramin'ny 50%-n'ny velarantany manontolo eto an-tany.

Ny ala koa dia toerana iainana ary fidiram-bola ho an'ny olombelona : tamin'ny fanombohan'ny taonjato faha 20, mahery ny 500 tapitrisa ny isan'ny olona miaina akaiky ala na ao anaty ala ; 150 tapitrisa amin'ireo no teratany.

Misy karazan'ala maromaro misy ; ny ala mbola tsy voakitika na mbola tsy voaovan'ny olombelona toetra dia lazaina hoe ala fototra, ary ny ala efa nokasihan'ny olona dia lazaina hoe ala segondera. Afats'ireo karazana ireo, misy koa ny ala any an-tanàna sy ny silvikioltora.

Karazan'ala[hanova | hanova ny fango]

Any Eoropa[hanova | hanova ny fango]

Ny ala Biogradska any Bolgaria

Ny ala eoropeanina dia ala ananan'ny toe-tany mafana tsy tahaka ny any amin'ny tanimaty na any amin'ny Fehibe amin'ny andro fahavaratra ary mangatsiaka tsy tahaky ny any amin'ny tendron-tany. Ny latsakorana dia betsaka ary manara-potoana. Ny karazan-kazon'ny ala antonon-kafanana dia hazo kesika, chêne ary châtaigner.

Any Afrika[hanova | hanova ny fango]

Alan-tsilon' Ifaty any Madagasikara

Any Afrika misy ala mando any amin'ny farany avaratr' Afrika ary any amin'ny farany atsimo. Ny ala eo amin'ny faritry ny fehibe dia ala ara-pehibe : mikitroka, mando (latsahan'ny orana mandavan-taona) Ny karazan-kazo hita matetika ao amin'ny ala mafana dia Baobaba, akasia, ary « pin ».

Any Azia[hanova | hanova ny fango]

Ny ala aziatika dia mitondro amin'ny ala mivelatra. Ny ohatra iray dia ny alan'i Komi, any Rosia. Betsaka ny karazan-kazo misy.

Any Amerika[hanova | hanova ny fango]

Alan' Amazônia

Any Amerika avaratra, ny ala dia alan'ny tany mangatsiaka any avaratra, ala mando mangatsiaka any avaratra andrefana ary tahaka ny alan'ny tany eo amorontsiraky ny Mediteranea any Atsimo andrefana. Ny ala any atsimo atsinanana dia ala mando (any Florida). Ny karazan-kazo misy anatin'ny alan' Amerika avaratra dia pin.

Any amerika Atsimo, ny ala amazônianina dia ala mando.

Tondro[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.