Fanjakana Maravy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Vahoaka maravy)
Ny fara fiitaran' ny Fanjakana Maravy

Ny Maravy na Fanjakana Maravy dia fanjaka-mpanjaka banto tao amin' ny faritry ny farihy Malawi tamin' i taonjato faha-16 sy faha-17. Atao hoe Maravi izany anarana izany amin' ny fitenin' ny mponina amin' io faritra io ankehitriny. Ny anarany dia midika hoe "lelafo", ary mety io no nahazoana ny anarana akehitriny hoe Malawi. Rehefa tonga tamin' ny fara tampon' ny tanjany izany fanjakana izany dia niitatra nankany amin' ny farihy Malawi any avaratra, any Luagwa sy any Zambezy any andrefana, ka tafapaka any amin' ny morontsiraky ny Ranomasimbe Indiana. Ny mpanjaka tao amin' io fanjakana io dia ata hoe kalonga sady tao amin' ny fianakaviana manara-dreny Phiri. I Manthimba no renivohiny.