Nosy Sunda

Avy amin'i Wikipedia
Ireo Nosy Sunda

Ny Nosy Sunda dia vondronosy ao amin' i Insolindia (na Vondro-nosy Maley). Mizara roa izy io amin' ny ankapobeny: ny Nosy Sunda Lehibe sy ny Nosy Sunda Kely.

Ny anaran' izy ireo dia avy amin' ny hoe "Sunda", izay lembalemba an-dranomasina ahitana ny nosy Somatra sy Java ary Borneo. Io anarana io dia avy amin' ny hoe "Sunda", tanin' ny vahoaka atao hoe Sondaney izay mipetraka any amin' ny faritra andrefana amin' ny nosy Java. I Sunda koa dia nanome ny anarany ho an' ny andilan-dranomasina izay manasaraka an' i Java amin' i Somatra, ny Andilan-dranomasin' i Sunda.

Ny nosy Sunda Lehibe

Ankehitriny ireo nosy ireo dia miorina amin' ny hetsika ara-barotra miaraka amin' ny Eorôpeana izay liana amin' ny famokarana vokatra hafakely toy ny zava-manitra.

Nosy Sunda Kely

Amin' ny heviny mivelatra dia misy nosy hafa mifanila aminy indraindray toa an' i Solavesy (Celebes) sy Borneo ao amin' ny vondro-nosy Sunda Lehibe sy i Timor any amin' ny vondro-nosy Sunda Kely.