Rakibolana: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Skipi (dinika | fandraisan'anjara)
k -image
Andalana faha-105: Andalana faha-105:
Aseho sary UML ny mpilalao sy ny hafany ary eo afovoany misy ny vata
Aseho sary UML ny mpilalao sy ny hafany ary eo afovoany misy ny vata
mainty -rakibolana-
mainty -rakibolana-

[[Image:Use_case_model.gif|Wikipedia
- Rakibolana]]



5. Famaritana ny mety ho fampiasa ny rakibolana
5. Famaritana ny mety ho fampiasa ny rakibolana

Endrik'io pejy io tamin'ny 4 Aprily 2005 à 17:38

Mpanoratra: Rudy Ramananjo, Nanampy: Rivo Randria.


1. Famaritana ny zavatra ilaina


1.1. Fampidirana ny teny. Ny mpikambana (Mpampiditra) no mampiditra ny teny mbola tsy misy ao anatin'ny rakibolana. Ny teny rehetra izay ampidirina dia arahina foto-teny sy ny dikany. Afaka ampiana matoan-teny koa ny foto-teny. Rehefa vita izany fampidirana izany dia mitondra ny statut vaovao ilay teny. Ny mpandalo koa dia mampiditra ny teny , TSY MIVANTANA AKORY, fa izay anontaniany ka tsy ao dia ho jeren'ny mpampiditra tena izy raha azo ampidirina.

1.2. Fanarahana ny teny Ny mpikambana (Mpanaraka) no manaraka ny fahamarinan'ny teny. Rehefa misy ny fahadisoana dia mandefa fanamarihana any amin'ny mpampiditra ity mpanaraka. Ny mpampiditra ihany no afaka manintsy izay diso mikasika ny teny nampidiriny. Ny mpandalo ihany koa dia TOKONY afaka miteny hoe izao ny hevitro amin'ity teny asehonareo ity. Dia manitsy araka izany ny mpampiditra raha toa ka eken'ny mpankasitraka ily izy. Raha toa ka tsia dia tokony hisy rakitra manokana hitahirizana ilay fanamarihana sy ny antony maha tsia azy.

1.3. Fankasitrahana ny teny. Ny teny vaovao dia mbola tsy miseho eo anatrehan'ny mpandalo raha tsy mahazo ny fankasitrahan'ireo mpikambana mandidy izany (Mpankasitraka). Ny mpankasitraka no mandidy raha mendrika ho aseho eo amin'ny tranokala ny teny vaovao (mijery raha voahitsy tokoa ireo diso).

1.4. Fitadiavana ny teny. Ny mpandalo dia mampiditra ny teny ary miandry ny valin'ny fitadiavana. Raha misy teny mifanojo aminy ao anatin'ny rakibolana dia ampiseho azy ny foto-teny, ny matoan-teny ary ny dikan'ny teny. Tena mety mila milina fandrasan-teny mihitsy anie izany e.

1.5. Fitantanana ny mpikambana Misy karazany ny mpikambana, ao ireo afaka mampiditra teny vaovao, ao koa ireo afaka manaraka ny fahamarinan'ny teny sy ireo izay mandidy ny fisehoan'ny teny eo amin'ny tranonkala.

2. Famaritana ny asa aman'andraikitra


2.1. Mpampiditra : Ny asan'ny mpampiditra dia : - Mamorona ny teny vaovao (Tsy mety loatra ilay hoe Mamorona fa aleo hoe Mampiditra ihany) - Manaraka ny teny ary koa manova ny diso.

- Mijery ny teny vaovao (tsy mbola ao anaty rakibolana) nanontanian'ny olona. - Mampita ny teny vaovao - ny azy sy ny natolotry ny mpandalo - eo amin'ny mpankasitraka. - Mametraka ny antony tsy nampidirana ny tolo-kevitry ny mpandalo amin'ny rakitra momba izany.

2.2. Mpanaraka : Ny asan'ny mpanaraka dia : - Mijery sy manambara ny mpampiditra ireo teny vaovao misy fahadisoana. (Rehefa mizotra soa amantsara ny kinasa dia tokony ho ny mpandalo no tena be mpanao azy ity)

2.2. Mpankasitraka : Ny asan'ny mpankasitraka dia : - Mankasitraka ireo teny vaovao izay tsy misy fahadisoana. - Manova na manala ny teny efa sitraka (efa miseho eo amin'ny tranonkala).

2.3. Mpitantana ny mpikambana : Ny asan'ny mpitantana ny mpikambana dia : - Mamorona ny mpikambana ary manendry raha mpampiditra izy na mpanaraka na mpankasitraka (na izy telo). - Manova na manala ny mpikambana.

2.4. Mpandalo Ny mpandalo dia : - Mijery ireo teny ao anatin'ny rakibolana (voasitraka)

- Mitatitra ireo teny diso tsipelina, mampita fanamarihana amin'ny hevi-teny

3. Famaritana ny hafatra


3.1. Hafatra raisin'ny rakibolana - Fampidirana/Fanovana/Fanalana teny vaovao (mpandefa : mpampiditra, mpandalo -tsy mivantana-) - Fanambarana ny fahadisoana (mpandefa : mpanaraka, mpandalo -tsy mivantana-) - Fametrahana ny antony tsy nandraisana fanamarihana (mpandefa : mpampiditra, mpankasitraka -tsy mivantana-) - Fankasitrahana ny teny (mpandefa : mpankasitraka) - Famoronana/Fanovana/Fanalana mpikambana (mpandefa : mpitantana)

3.2. Hafatra alefan'ny rakibolana - Fijerena ny teny (mpandray : mpandalo) - Fizotran'ny fankasitrahana (mpandray : mpankasitraka, mpampiditra, mpanaraka)

4. Fampazahoana (an-tsary) ny fivezivezen'ny hafatra


Aseho sary UML ny mpilalao sy ny hafany ary eo afovoany misy ny vata mainty -rakibolana-

5. Famaritana ny mety ho fampiasa ny rakibolana


Ho atao

6. Famelabelarana ny mety ho fampiasa ny rakibolana


Ho atao

7. Sary manazava ny mety ho fampiasa ny rakibolana


Ho atao