Aller au contenu

Mosary

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Kere)
Ankizy niharan' ny mosary tany India (1943)

Ny mosary na kere dia tsy fahampian-tsakafo tafahoatra izay maharitra amin' ny faritra iray manontolo sady mahazo olona maro dia maro fa tsy olona iray na vitsy monja. Karazan' antony roa no mahatonga ny kere na mosary. Ny voalohany dia ny loza voajanahary mahazo faritra midadasika izay miseho tampoka ka manimba ny fambolena sy mandringana ny biby fiompy, ka anisan' izany ny horohorontany, ny haintany, ny fisian' ny andiam-balala ary ny areti-mifindra mahazo ny zavamaniry. Ny faharoa dia vokatry ny asan' ny olombelona toy ny ady ara-tafika sy ny fanimbana ny famokarana ataon' ny mpifanadrina, ny fanaovana fahirano, ny fanaovana ankivy ara-toekarena.

Tratra ny tsy fahampian-tsakafo rehefa latsaky ny 1 200 kilôkalôria isan' andro isan' olona, ​​ny salanisa antonony dia 1 600 (ankizy) hatramin' ny 2 900 kilôkalôria (zatovo). Mety hiteraka fahafatesana izany toe-javatra izany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]