Hankany amin'ny vontoatiny

Hetsika Fanamasinana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Hetsika fahamasinana)
John Wesley

Ny Hetsika Fanamasinana dia firehan' ny kristianisma evanjelika avy amin' ny prôtestantisma metôdista. Miavaka io hetsika io noho ny fanomezany lanja ny foto-pampianarana ny amin' ny "fahalavorariana kristiana" izay nivoatra avy amin' ny fampianaran' i John Wesley, dia ny amin' ny finoana fa azo atao ny miaina malalaka nefa tsy mahatanteraka fahotana an-tsitrapo, indrindra ny finoana fa izany dia azo tanterahirahina eo no ho eo amin' ny alalan' ny fahasoavana. Tamin' ny taona 1894 no nisarahan' io hetsika io tamin' ny metôdisma. Ankehitriny dia miisa 12 tapitrisa ny mpino ao amin' io hetsika io maneran-tany. Niteraka ny fandrosoan' ny pentekôtisma sy ny fanavaozana karismatika io hetsika io teo amin' ny tantara.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]