Gegy

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Iray amin'ireo karazam-poko lehibe ao Albania, raha Toska ilay karazana iray. Mandrakotra ny tapany avaratr'i Albania izy ireo (avaratry ny ony Shkumbin), ao Kosovo, Serbia atsimo, tapany atsinanan'i Montenegro, ary amin'ny tapany andrefan'i Masedoana ihany koa.

Mbola mandàla ny fomban-drazany sy fahambonian'ny fokony izy ireo noho ny toerana misy azy ireo voafefin'ireo tendrombohitra sy havoana isan-karazany, ka mahasarotra ny fidiran'ny vahiny.

Katolika ny ankamaroan'izy ireo, ary ireo mponina katolika vitsy an'isa (10 %) ao amin'io firenena io dia any avaratra avokoa no tena ahitana azy.