Fiteny gaelika ekosey

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny fiteny gaelika ekosey dia fiteny ao amin'ny sampana gaelikan'ireo fiteny seltika izay mikambana amin'ny fianakaviam-piteny indo-eoropeana. Ao Ekosy ao amin'ireo Tany Ambony sy ao amin'ireo Hebrida no tena itenenana azy. Tenenin'ny vahoaka sasany ao Ekosy Vaovao ao Kanada, indrindra ao amin'ny nosin'i Cap-Breton , noho ny fisian'ny fifindra-monin'ny tantsaha ekosey noroahin'ireo mpanan-tany tamin'ny taonjato faha-19; ny endrik'io fiteny io any Kanada no atao hoe gaelia kanadiana.