Ziônisma

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny hetsika siônista izay lasa sainan' i Israely

Ny ziônisma na siônisma dia hetsika nasiônalistan' ny ampahany amin' ny vahoaka jiosy mikendry ny fananganana "akanim-pirenena jiosy", sy ny fizakan-tena ho an' ny vahoaka jiosy ao amin'ny "Tanin' i Israely", izay mifanitsy amin' i Kanaana, amin' ny Tany Masina, na ny faritr' i Palestina.

Ny hetsika nasiônalista jiosy dia niseho indrindra tany Eorôpa Afovoany sy Atsinanana tamin' ny taonjato faha-19, sy nanomboka nahita fahatanterahana pôlitika momba ny fanantenany tamin' ny Fanambaràna Balfour tamin' ny taona 1917 avy eo tamin' ny fananganana an' i Palestina teo ambany fitantan' ny Britanika tamin' ny fiafaran' ny Ady Lehibe Voalohany tamin' ny taona 1920, izay nampitombo ny fifindrà-monina jiosy tao amin' ilay faritany ary nitarika ny fananganana ny Fanjakan' i Israely tamin' ny taona 1948.

Ny ziônisma dia manana fototra ao amin' ny lova ara-pivavahana sy ny fahamaninana an' i Ziôna ao na Siôna ao amin' ny fahatsiarovan-tena jiosy momba ny sesitany na fahababoana, ary niainga tao amin' ny tontolon' ny hetaheta nasiônalista tamin' ny taonjato faha-19, sy ny dingana mankany amin' ny fiainana laîkan' ny mponina jiosy askenazy izay nifandray amin' ny fomba fiainana môderina. Noho ny firongatry ny tsy fitiavana Jiosy (antisemitisma), indrindra tany Eorôpa Atsinanana, dia nanjary nalaza teo amin' ireo Jiosy nenjehina ilay hetsika.

Theodor Herzl

Nahazo vahana ny hetsika teo ambany fitarihan' i Theodor Herzl tao Basel (frantsay: Bâle) tamin' ny taona 1897, ary notohanan' ny kôngresy ziônista roa amby roapolo (1897-1945) sy koa ireo fikambanana toy ny World Zionist Organization (1897), ny Anglo-Palestine Bank (1902), ny Jewish Agency for Israel (1929) ary ny World Jewish Congress (1936).

Izany no nahatonga ny fifindrà-monina jiosy ho any amin' ny faritr' i Palestina, izay nanao fandaminana ho lasa "akanim-pirenena" talohan' ny Ady Lehibe Faharoa. Ny ideôlôjian' ny ziônisma dia ahitana hevitra maro isan-karazany, izay ahitana ny faniriana hanana tanim-pirenena ho an' ny vahoaka jiosy sy fikatsahana ara-môraly sy ara-panahy.

Ny hetsika ziônista dia sady foto-pisainana (ideôlôjia) no hetsika nasiônalista. Efa hatrany am-piandohany dia niteraka fanoherana (antiziônisma) ilay hetsika.

Hatramin' ny niorenan' ny Fanjakan' i Israely tamin' ny taona 1948 dia anisan' ny pôlitika tao Israely ny ziônisma ary nanohy nanohana ny fanjakana jiosy ilay hetsika. Ity hetsika ity koa dia nandray anjara amin' ny fandraisana ny mpifindra monina sy ny mpitsoa-ponenana vaovao (Jewish Agency for Israel, Nefesh B'Nefesh, sns.); amin' ny fandaharan' asa momba ny tontolo iainana (Keren Kayemeth LeIsrael); ary fandaharan' asa fanampiana ara-tsôsialy (Keren Hayesod).