Ady Lehibe Voalohany

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Miaramila Rosy miandry ny miaramila Alemana

Ny Ady Lehibe Voalohany dia ady ny miaramila nisy tany Eoropa tamin'ny 1914 ary tapitra tamin'ny taona 1918. Izy ny isa ny zava-misy tena nanamarika ny olom-belona tamin'ny taonjato faha 20. Betsaka ny olona niady (60 tapitrisa), ny olona maty (9 tapitrisa), sy ny zavatra simba tamin'io ady io, ary tsy nisy ady nitovy tamin'io mihitsy taloha ny 1914. Ny zavatra nitranga tamin'io Ady be voalohany io dia ny famonòna ny Armenianina (1915-1916) ny ady any Atlantìka (1917) ary ny tolom-piavotana Rosy tamin'ny 1917. Nisy koa tany Eoropa ny gripa.

Bestaka dia betsaka ny fanovàna ara-toetany nandritra sy tao arinan'io Ady lehibe io. Nihongana ny ankabeazan'ny empira rehetra nisy tany Eoropa (Ôtômana, Rosy, Aotrisianina) ary betsaka ihany koa ny firenena niteraka tao arinan'io. Tsy nisy intsony ny Empira Alemana (Alemaina ankehitriny) ary lasa niha-kely ny fivelarantaniny. Naverina notsipiana daholo ny mapa ny Antsimo akaiky. Lasa repoblika entim-bahoaka na repoblika ny fanjakàna taloha. Ary voaforona teo arina ny ady be voalohany ny Firaisam-pirenena na Société Des Nations (SDN).

Ny bitsok'afo nampisy anio ady io dia ilay nafatesan'i François-Ferdinand.