Toekaren' i Nizera

Avy amin'i Wikipedia
"Petit Marché" ao Niamey

Ny toekaren' i Nizera dia mifototra indrindra amin' ny fambolena sy ny fiompiana, izay miantoka ny 50 % amin' ny harin-karena faobe, nefa mandringa noho ny haintany izay mampiavaka ny faritra Sahel. Ny indostria dia tsy hita firy any, ary ny fitrandrahana sy ny fanodinana ny oranioma no loharanom-bolany lehbe. Anisan' ny firenena mahantra indrindra eran-tany i Nizera. Ny governemanta nizeriena dia miankina betsaka amin' ny fanampiana roalafy sy iraisam-pirenena amin' ny fandaniana fampandehanana asa sy ny fampiasam-bolam-panjakana. Mahazo fampindramam-bola lehibe avy amin' ny Banky Iraisam-Pirenena sy ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena izy, indrindra amin' ny alalan' ny fampihenana ny fahantrana sy ny fampandrosoana ary ny hetsika hoan' ny firenena mahantra be trosa.

Fambolena sy fiompiana ary ny jono[hanova | hanova ny fango]

Fambolena[hanova | hanova ny fango]

Tany lonaka akaikin' ny ony Niger.

Tsy maharahanka ny fitomboan' ny mponina izay 3,3 % isan-taona ny vokatry ny fambolena izay iharan' ny hain-tany sy ny fanafihan' ny valala miverimberina (taona 2000 sy 2004 ary 2009). Tamin’ ny taona 2004 dia namely ilay firenena ireo loza roa ireo ka niteraka fahasahiranana ara-tsakafo izany tamin’ ny fiandohan’ ny taona 2005.

Tanin' ampembambazaha ao Nizera

Ny ampemby (1 301 800 taonina, tamin' ny taona 2010) sy ny ampebimbazaha (3 837 500 taonina, 2010) ary ny voanemba (ilay karazana Vigna unguiculata subsp. unguiculata) (1 773 400 taonina, 2010).

Fiompiana[hanova | hanova ny fango]

Mpiompy mitondra ny biby fiompiny handositra ny haintany

Miompy ny Nizeriana, indrindra any amin' ny 3/4 avaratra-atsinanana amin' ilay firenena. Izany dia mandray anjara amin' ampahany manan-danja amin' ny famokarana sakafo voahodina ao Nizera. Ambany ny fihinanana hena ao Nizera nefa mpanondrana biby fiompy sy hoditra ary hena ity firenena ity. Tsy ampy ny famokarana ronono ka tsy maintsy fenoina amin' ny fanafarana.

Anisan' ny ompiana betsaka any ny osy (niisa 13 673 000 tamin' ny taona 2010), ny ondry (10 917 000, taona 2010), ny omby (9 817 000, taona 2010), ny rameva (1 670 000, taona 2010), ny boriky (1 631 000, taona 2010), ary ny soavaly (242 000, taona 2010).

Jono[hanova | hanova ny fango]

Manjono any amin’ ny dobo madinika voajanahary any atsimo amin’ ilay firenena (faritra Diffa), sy eo amin’ ny ony Niger. Latsaky ny 1/4 amin' ny famokarana ny fiopiana an-dranomamy. Nihena be ny famokarana (55 860 taonina tamin’ ny taona 2003, 3 380 taonina tamin’ ny taona 2008) nanomboka tamin’ ny taona 2006, ary lasa mpanafatra ilay firenena, na dia nihena be aza ny fanjifana.

Taozavabaventy sy fitrandrahana harena an-kibon' ny tany[hanova | hanova ny fango]

Taozavabaventy[hanova | hanova ny fango]

Ny famonoana biby fiompy sy ny fanodinana ny hoditra sy hoditra voasa no tena ifororan' ny indostria ao Nizera. Manana orinasa 900 eo ho io sehatra io ary niantoka ny 5 % amin' ny harin-karena faobe ao amin' ilay firenena tamin' ny taona 2010. Ny sehatry ny fanorenana dia misahana ny 4 % amin' ny harin-karena faobe tamin' ny taona 2009.

Fitrandrahana harena an-kibon' ny tany[hanova | hanova ny fango]

Fitrandrahana sira sy natrôna[hanova | hanova ny fango]

Ny sira ho an' ny sakafon' olombelona ​sy ny natrôna ho an' ny sakafom-biby dia alaina hatry ny taonjato maro avy ao amin' ireo lempona masira any amin' ny tany efitra sady volavolaina hanana endrika mofo na kitsoloha (Teggida N'tessem, Bilma, Manga).

Fitrandrahana metaly[hanova | hanova ny fango]

Misy firapotsy ny any Aïr ary misy vy ny any akaikin' i Say, atsimon' i Niamey.

Fitrandrahana oraniôma[hanova | hanova ny fango]

Toeram-pitrandrahana oranioma ao Arlit

Misy oranioma betsaka amin' ny faritra midadasika ny any Nizera, izay trandrahina any avaratra, ao Arlit sy ao Akouta, ary i Nizera dia anisan' ny mpamokatra oranioma lehibe indrindra eran-tany. Tombanana ho 170 000 taonina mahery ny tahirin' oranioma. Ny famokarana oranioma, izay nihena tamin' ny taompolo 1980 noho ny fihenan' ny tinady, dia marin-toerana teo amin' ny 3 000 taonina isan-taona.

Fitrandrahana arintany[hanova | hanova ny fango]

Nitrandraka ihany koa ny tahirin' arintany (176 000 taonina ny famokarana tamin’ ny 2003) i Nizera.

Fitrandrahana solitany[hanova | hanova ny fango]

Fitaterana[hanova | hanova ny fango]

Fitaterana an-dalamby[hanova | hanova ny fango]

Nanomboka ny taona 2014 ny fanitarana lalamby mampitohy an’ i Niamey (Nizera) mankany Cotonou mandalo an’ i Parakou (Benîno), ary novinavinaina ho vita amin’ ny taona 2016. Mbola nitohy ihany anefa ny tetikasa tamin’ ny taona 2018, ary tsy nisy tatitra natao hatramin’ ny taona 2022. Tafiditra ao anatin’ izany ny fanamboarana lalamby vaovao mirefy 574 km avy any Niamey mba hampifandray amin’ ilay zotra efa misy any Parakou (Benîno). Ankoatra an' i Niamey dia hamakivaky ny tanànan' i Dosso sy Gaya ilay lalamby.

Fitaterana an' arabe[hanova | hanova ny fango]

Iray amin' ireo lalana mankany Tahoua, ao afovoan' i Nizera

Ny lalana voalohany na vita tara dia voafetra ho an' ny tanàna lehibe na amin' ny fampifandraisana ny tanàn-dehibe. Ny ankamaroan' ny lalana mankany na any ambanivohitra dia tsy voarakotra tara, lalan-tany voapaika na fasika ampy na tsy ampy fikojakojana. Tamin' ny taona 2012 dia nisy 19 675 km ny tamba-jotran-dalana nanerana an' i Nizera, ka ny 4 225 km no vita tara.

Fitaterana ana habakabaka[hanova | hanova ny fango]

Ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Diori Hamani ao Niamey

Manana seranam-piaramanidina miisa 27 i Nizera, ka ny folo amin' izy ireo efa misy lalam-piaramanidina vita tara ary ny telo dia manana lalam-piaramanidina mihoatra ny 2 500 m. I Niamey no tena ivon' ny fifamoivoizana iraisam-pirenena, saingy misy ihany koa ny sidina avy any Agadez mankany Paris.

Fitaterana an-drenirano[hanova | hanova ny fango]

Ny 300 km amin' ny ony Niger any Nizera dia azo ampiasaina amin' ny fifamoivoizana. Ny vanim-potoana ahafahana mifamoivoy amin' ny ony Niger dia miovaova arakaraka ny faritra: avy any Niamey ka hatrany Gaya dia amin' ny Septambra ka hatramin' ny Marsa. Mandrahona ny fitaterana an-drenirano anefa ny fihabetsahan' ny fasika.

Sehatr' asa hafa[hanova | hanova ny fango]

Angovo[hanova | hanova ny fango]

Tsy ampy ho an' ny filany ny angovo azon' i Nizera. Ny fanjifana angovo ao amin' ilay firenena dia heverina ho anisan' ny ambany indrindra eran-tany. Ny fahazoana herinaratra eo anelanelan' ny faritry ny tanàn-dehibe toa an' i Niamey dia ahafahana miantoka ny 50 % amin' ny filana herinaratra, ary ny faritra ambanivohitra mahazo 20 hatramin' ny 40 %, ary ny faritra ambany indrindra dia 10 %. Ny tinady hafa momba ny herinaratra dia omen' ny Nigerien Electricity Society (NIGELEC) fahafaham-po, manolotra mpamokatra herinaratra amin' ny gazoala sy toeram-pamokarana angovo mampiasa arintany mba hamoronana akora fandrehitra hofaina.

Ny famokarana sy ny fitsinjarana ny herinaratra sy ny entona ary ny rano dia miantoka ny 1 % amin' ny harin-karena faobe tamin' ny taona 2009. Manodidina ny 89 % amin' ny herinaratra zarain' ny NIGELEC no nohafarana avy any Nizerià, ary 8 % ny tahan' ny fahazoana angovon' aratra eo amin' ilay firenena.

Fitrandrahana ala[hanova | hanova ny fango]

Ny kitay no loharanon' angovo voalohany any Nizera (9 400 000 m3 isan-taona). Ny ala ihany koa dia mamokatra gaoma arabo (tanin-kazo mpamokatra gaoma arabo mirefy 160 000 ha, voajanahary na nambolena) amin' ny fomba asan-tanana.

Samihafa[hanova | hanova ny fango]

Ny sehatry ny fitsaboana dia mampiasa olona matihanina manodidina ny 4 200 ary miantoka, ivelan' ny asam-panjakana, manodidina ny 2 % amin’ ny harin-karena faobe tamin' ny taona 2010. Mampiasa mpampianatra 56 200 ny fampianarana amin’ ny toeram-pampianarana miisa 14 300 ary misahana, ivelan' ny asam-panjakana, manodidina ny 2 % amin’ ny harin-karena faobe tamin' ny taona 2010 .

Tsy mandroso ny sehatry ny banky; misy banky 10 sy toeram-pikirakiram-bola 77 tamin' ny taona 2009, ka ny 43 ao Niamey. Nampiasa olona 40 400 ny asam-panjakana tamin’ ny taona 2010 (mpiasa raikitra sy mpanampy ary nanao fifanarahana). Ny tolotra hafa dia nahatratra 6 % amin' ny harin-karena faobe tamin' ny taona 2010.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]