Omby
Avy amin'i Wikipedia
Ny omby dia karazan'ny biby mampinono ary biby fiompy izy. Biby lehibe misy tandroka roa ary trafo iray eo an-tampon-damosiny.
Mitana toerana lehibe ny fiompiana omby ao Madagasikara: harena ny omby sady biby entina hangataham-pitahiana (joro) ihany koa.
Biby manana ny anjara-toerany tokoa amin'ny asa-tany ny omby, ary ankoatra ny henany dia tsy very koa na ny hodiny na ny tandrony.