Palestiniana

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Palestina

Ny Palestiniana, izay antsoina koa hoe Arabo Palestiniana, dia vondron' olona miteny arabo monina indrindra ao amin' ny faritr' i Palestina (ao amin' ny Fari-tany palestiniana voabodo (Jôrdania Andrefana sy Salavantanin' i Gaza) sy ao Jôrdania ary ao Israely) na ny vahoakan' ny Fanjakan' i Palestina. Izy ireo taranaky ny mponina nonina tao amin' ny faritr' i Palestina nandritra ny an' arivony taona maro, ary manana lkolontsaina sy fiteny arabo ankehitriny. Nihamafy tsikelikely ny fahatsiarovan-tena ho olom-pirenana palestiniana nanomboka tamin' ny tapany faharoa amin' ny taonjato faha-20, ary nihanazava amin' ny ankapobeny nandritra ny Ady Arabo-Israeliana, arakaraka ny nitohizan' ity ady ity ho amin' ny endrika Ady Israeliana-Palestiniana izany. Ny Palestiniana amin' izao fotoana izao dia mitaky ny faneken' i Israely ny Fanjakan' i Palestina.

Atao hoe الفلسطينيون / al-Filasṭīniyyūn ("¨Palestiniana") na الشعب الفلسطيني / ash-sha‘b al-Filasṭīnī ("vahoaka palestiniana") na العرب الفلسطينيون / al-ʿArab al-Filasṭīniyyūn ("Arabo palestiniana") izy ireo amin' ny teny arabo, פָלַסְטִינִים, / Fālasṭīnīm amin' ny teny hebreo.

Tamin' ny taona 2014 ny Palestiniana dia niisa 12 tapitrisa any ho any maneran-tany.

Na dia eo aza ny ady sy ny fifindrà-monina isan-karazany, eo ho eo amin' ny antsasaky ny mponina palestiniana eran-tany no mbola mitoetra ao amin' ny fari-tanin' i Palestina notantanin' ny Britanika teo aloha, izay mahafaoka an' i Jôrdania Andrefana (na Sisjôrdania) sy ny Salavantanin' i Gaza (fari-tany palestiniana) ary i Israely. Ao amin' ilay faritra manontolo, tamin' ny taona 2022, dia ny Palestiniana no maro anisa, izay tombanana ho 7 503 tapitrisa (na 51,16 %) raha ampitahaina amin' ny Jiosy (amin' ny 46-47 %), amin' ny mponina rehetra, ao amin' ny Salavantanin' i Gaza sy i Jôrdania Andrefana ary i Jerosalema Atsinanana, ary efa ho 21 % amin' ny mponin' i Israely no olom-pirenena arabo ao aminy. Maro ny Palestiniana mpitsoa-ponenana na Palestiniana nafindra toerana, anisan' izany ny iray tapitrisa mahery ao amin' ny Salavantanin' i Gaza, manodidina ny 750 000 ny any Jôrdania Andrefana, ary manodidina ny 250 000 ny any Israely. Amin' ny Palestiniana monina any ivelany, fantatra amin' ny anarana hoe Palestiniana am-pielezana (na Diaspôra palestiniana) dia maherin' ny antsasany no tsy manana zom-pirenena ara-dalàna any amin' ny firenena rehetra. Eo anelanelan'ny 2,1 sy 3,24 tapitrisa amin' ny Palestiniana am-pielezana no monina amin' ny maha mpitsoa-ponenana azy any Jôrdania mifanila aminy; maherin' ny 1 tapitrisa no monina eo anelanelan' i Siria sy Libanona, ary eo amin' ny 750 000 eo ho eo no mipetraka ao Arabia Saodita, ary any Silia no ahitana Palestiniana am-pielezana betsaka indrindra (eo amin' ny antsasa-tapitrisa) ivelan' ny Tontolo Arabo.

Tamin' ny taona 1919, ny Mozilmana palestiniana sy ny Kristiana palestiniana dia 90 % amin' ny mponina ao Palestina, taloha kelin' ny onjam-pifindra-monina jiosy fahatelo teo ambany fahefan' ny Britanika taorian' ny Ady Lehibe Voalohany. Ny fanoherana ny fifindra-monina jiosy dia nanamafy ny maha-firenena sy vahoaka iray, na dia mbola nizarazara noho ny tsy fahasamihafana isam-paritra, ara-tsaranga, ara-pivavahana ary ara-pianakaviana ny fiarahamonina palestiniana. Olana iray iadian-kevitra eo amin' ny manam-pahaizana ny tantaran' ny maha firenena sy vahoaka iray ny Palestiniana; ny teny hoe "Palestiniana" dia nampiasaina hanondroana ny hevitra nasiônalista momba ny vahoaka Arabo palestiniana tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19 sy tamin' ny vanim-potoana talohan' ny Ady Lehibe Voalohany. Ny fandravana ny Empira Ôtômana sy ny fametrahana ny fitantanana britanika taorian' izay ho an' ilay faritra dia nisolo ny zom-pirenena ôtômana ho amin' ny zom-pirenena palestiniana, nanamafy ny maha firenena sy vahoaka iray azy. Taorian' ny fanambaràna ny fahaleovanten' i Israely, ny fandroahana Palestiniana tamin' ny taona 1948, ary mihoatra noho izany taorian' ny fifindrà-monin' ny Palestiniana tamin' ny taona 1967, ny teny hoe "Palestiniana" dia nivoatra ho lasa fahatsapana hoavy iraisana izay niseho amin' ny faniriana ny hisian' ny fanjakana palestiniana. Amin' izao fotoana izao, ny maha Palestiniana dia mahafaoka ny lova navelan' ny vanim-potoana rehetra nanomboka tamin' ny vanim-potoan' ny Baiboly ka hatramin' ny vanim-potoan' ny Empira Ôtômana.

Niorina tamin' ny taona 1964 ny Fikambanam-Panafahana an' i Palestina izay fikambanana mahafaoka fikambanana maromaro misolo tena ny vahoaka palestiniana eo anatrehan' ny fanjakana iraisam-pirenena. Ny Fahefana Palestiniana, izay natsangana tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny taona 1994 vokatry ny Fifanarahana tao Oslo, dia sampan-draharaham-pitantanana vonjimaika izay tompon' andraikitra amin' ny fitantanana any amin' ireo ivontoeran' ny mponina palestiniana ao Jôrdania Andrefana (na Sisjôrdania) sy ao amin' ny Salavantanin' i Gaza. Nanomboka tamin' ny taona 1978 dia nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an' ny firaisankina amin' ny vahoaka palestiniana isan-taona ny Firenena Mikambana.

Araka ny voalazan' ny mpahay tantara britanika Perry Anderson dia tombanana ho ny antsasaky ny mponina ao amin' ny fari-tanin' i Palestina no mpitsoa-ponenana, ary niara-niharan' ny faheverezam-pananana sy fatiantoka 300 lavitrisa dôlara amerikana teo ho eo izy ireo noho ny fakana an-keriny ny fananany nataon' ny Israeliana, raha ampiharina ny sandam-bola tamin' ny taona 2008–2009.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]