Jerosalema Atsinanana

Avy amin'i Wikipedia

I Jerosalema Atsinanana dia ny ampahany amin' ny tanànan' i Jerosalema izay eo atsinanan' ny sisintany nofaritana tamin' ny taona 1949, atao hoe "Tsipika maitso" (raha araka ny fepetran' ny fifanarahana fampitsaharana ady nosoniavina tao Rhodes tamin' ny 3 Avrily 1949 teo amin' ny governemantan' ny Fanjakan' i Israely sy ny fanjakana hasemitan' i Jôrdania). Lasan' ny tafika israeliana izy io tamin' ny 7 Jona 1967 ary nampidirin' i Israely ho anisan' ny taniny avy eo, saingy notoherin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay nihevitra an' io faritra io ho faritany voabodo. Ahitana toerana isan-karazany manan-danja ara-pivavahana ho an' ny fivavahana abrahamika, anisan' izany ny Tanàna Tranainy sy ny toerana masina maro: ny Rindrin' ny Fitomaniana (na Rindrina Andrefana), ny Fasana Masin' i Kristy, ny Môskea al-Aqsa ary ny Tendrombohitry ny Tempoly na ny Tonkotanin' ny Môskea.

Tsy mitovy ny famaritan' ny Israeliana sy ny Palestiniana an' i Jerosalema Atsinanana.

Ho an' ny Israeliana dia tsy misy intsony i Jerosalema Atsinanana hatramin' ny fanapahan-kevitra noraisin' ny governemanta israeliana tamin' ny 28 Jona 1967 izay nanambara samirery fa tsy misy intsony ny faritra atsinanana ao Jerosalema, fa rava ny filankevitry ny tanànan' i Jerosalema Atsinanana ary ny monisipaliten' i Jerosalema, ka ilay notarihin' i Teddy Kollek, ben' ny tanànan' i Jerosalema Andrefana talohan' ny 7 Jona 1967, dia tompon' andraikitra amin' ny tanàna iray manontolo, izay nozaraina ho faritra roa nanomboka tamin' ny 1948 teo amin' ny Israeliana sy ny Jôrdaniana: dai i Jerosalema Andrefana manana velarana manodidina ny 38 km2 sy i Jerosalema Atsinanana manana 6 km2.

Ho an' ny Palestiniana, ny fahazoana ny faritra atsinanana ao Jerosalema tamin' ny 7 Jona 1967 dia tsy manan-kery, satria vokatry ny ady ihany, azon' ny tafika israeliana. Ny fahazoana an' i Jerosalema Atsinanana noho izany dia tsy misy dikany amin' ny lalàna iraisam-pirenena ary ny fepetra isan-karazany noraisin' ny Israeliana mba hampitomboana ny velaran' i Jerosalema sy hanakambanana ireo vohitra tranainy teo ambany fahefan' i Jôrdania manodidina an' i Jerosalema dia foana sy tsy manankery, sady tsy ara-dalàna, satria vokatry ny finodoana izany.

Ny satan' i Jerosalema amin' ny maha tanàna masina azy ho an' ny fivavahana telo (jodaisma sy kristianisma ary silamo) dia nofaritana ho "iray amin' ireo olana sarotra indrindra eo amin' ny Ady Israeliana-Palestiniana", izay ahitana fitakiana fiandrianam-pirenena amin' i Jerosalema na amin' ny ampahany aminy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]