Jerosalema (Andro Taloha)

Avy amin'i Wikipedia

I Jerosalema dia tanàna any amin' ny faritra Kanaana nonenan' ny Jebosita tamin' ny Andro Taloha izay azon' i Davida mpanjaka ka nataony renivohitry ny fanjakany.

Vanimpotoana talohan' ny fahababoana babilônina[hanova | hanova ny fango]

Nandritra ny fitondran' i Davida sy i Sôlômôna[hanova | hanova ny fango]

Tanàn' ny Jebosita i Jerosalema talohan' ny nahazoan' i Davida azy tamin' ny taona 1000 tal. J.K. ka nataony renivohitry ny fanjakany sy ivon' ny fivavahan' ny Israelita. Tontosan' i Sôlômôna izany fanokanana an' i Jerosalema ho renivohitra izay tamin' ny nahavitany ny Tempoly sy ny lapam-panjakana tamin' ny taona teo anelanelan' ny taona 969 sy 962 tal. J.K. sady nanao izay haha mpanan-karena ilay tanàna.

Taorian'ny fivakisan' ny fanjakana ho roa[hanova | hanova ny fango]

Taorian'ny fisarahan' ny fanjakana israelita ho roa, ka niteraka ny Fanjakan' i Jodà any atsimo sy ny Fanjakan' i Samaria any avaratra, dia lasa renivohitry hy fanjakana atsimo i Jerosalema.

Vanimpotoana babilôniana sy persiana akemenida[hanova | hanova ny fango]

Vanimpotoan' ny fahababoana babilôniana[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 587 tal. J.K dia noravan' i Nebokadnezara mpanjakan' i Babilôna i Jerosalema mbamin' ny Tempoly tamin' ny nanafihan' ny Babilôniana sy nandravany ny Fanjakan' i Jodà, sady natao sesitany tany Babilôna ny mponina tao.

Fanorenana indray ny tanàna sy ny Tempoly[hanova | hanova ny fango]

Taty aoriana dia resin' ny Persiana akemenida ny Babilôniana ka nalalaka amin' izay ny fivavahan' ny vahoaka sy ny firenena notapahin' ny mpajaka persiana. Teo anelanelan' ny taona 520 sy 515 tal. J.K. dia nahazo alalana hiverina any Jerosalema ny Jiosy babo ka afaka nanorina indray ny Tempoly sy ny tanàna ary ny manda. Tsy tafaverina tamin' ny endriny taloha anefa izany fa tsotsotra kokoa noho ny tamin' ny andron' i Sôlômôna.

Vanimpotoana helenistika[hanova | hanova ny fango]

Vanimpotona lagida sy seleokida[hanova | hanova ny fango]

Rehefa notafihin' i Aleksandra Lehibe i Palestina ka azony dia ny Lagida sy ny Seleokida no nifandimby nanapaka an' i Jerosalema sy ny faritra manodidina azy.

Vanimpotoana hasmôneana[hanova | hanova ny fango]

Nikomy ny Makabeo tamin'ny taona 143 tal. J.K. ka nahazo fahaleovan-tena ny Jiosy ary lasa renivohitry ny fanjakana jiosy nandritra ny 80 taona indray i Jerosalema.

Vanimpotoana rômana sy bizantina[hanova | hanova ny fango]

Vanimpotoana rômana[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 63 taor. J.K. dia azon' ny Rômana i Jerosalema. Noravan' ny Rômana ny tanàna tamin' ny taona 70 taorian' ny fikomian' ny tia tanindrazana. Tamin' ny taona 135 taor. J.K. dia nikomy tamin' ny Rômana indray ny Jiosy notarihin' i Bar-Kôkba izay tsy nahomby. Nanorina tanànam-boanjo tsy azon' ny Jiosy aleha ny Rômana teo amin' ny sisam-paharavàn' i Jerosalema.

Vanimpotoana bizantina[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny andron' ny Empira Kristiana dia lasa ivontoeran' ny fivahiniana masina i Israely, indrindra fa i Jerosalema. Nanorina bazililka tao ny emperora Kônstantino, izay nantsoina amin' ny anarana hoe Bazilikan' ny Fasana Masina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]