Nord-Pas-de-Calais

Avy amin'i Wikipedia
Ny faritan'i Nord-Pas-de-Calais ao Frantsa (miloko mena).

I Nord-Pas-de-Calais na Nord-Pas de Calais dia faritany any amin' ny farany avaratr' i Frantsa. Ireo faritra manodidina dia i Picardie any atsimo, ny Manche ary ny Ranomasina Avaratra ary ny Fanjakana Mitambatra ary i Beljika any avaratra andrefany. Roa ny isan' ny departemanta ao amin' io faritra io. Ny hakitroky ny mponina dia 326 mpo./km² ary i Nord-Pas-de-Calais no anisan' ny faritra eoropeana ambony hakitroka indrindra.

Ny faritr' i Nord-Pas-de-Calais ankehitriny dia nivadika frantsay tamin' ny taona 1713 ary ny anarany tamin' izany fotoana izay dia ny Nederlandy Frantsay (Pays-Bas franaçais). Ny faritany ara-tantara an' i Nord-Pas-de-Calais dia i Artois, i Boulonnais (lasan' i Picardie tamin' ny 1477), i Cambrésis, i Valandera ary i Hainaut, fiantsoam-paritany mbola ampiasaina be amin' izao fotoana izao.

Ny harin-karena faobe manontolon' i Nord-Pas-de-Calais dia 86,7 miliara Euro, ary ny faritan' i Nord-Pas-de-Calais no faritany fahaefatra manankarena indrindra ao Frantsa.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.