Menaka

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Wiki letter w.svg   Ity pejy ity dia pejy manirery ary tokony asiana rohy manketo ny pejy hafa. (Aprily 2010)

Asio rohy manketo ny lahatsoratra hafa misy fifandraisana amin'ny lazain' ity lahatsoratra ity.

Ny menaka oliva, ampiasaina ho an'ny sakafo

Ny menaka dia teny ampiasaina rehefa manono ny zava-matavy ranoka rehefa avela amin'ny hafanana manodidina ary tsy mifangaro aminny rano, fa maivamaivana kokoa nohon'ny rano.

Ny menaka dia ranoka, matavy, maisatra, avoakan'ny biby, ny voninkazo, ni mineraly na noforonin' olombelona.

Ny menaka dia samihafa amin'ny tavy ohatra ny paty rehefa ampiasaina amin'ny fomba aradalana. Ny menaka dia tsy laziana hoe menaka na dia ranoka aza izy any amin'ny tany mafana. Any amin'ny tany mangatsiatsiaka, ny menaka sasantsasany, indrindra ny menaka ranoka, dia mety mivaingana rehefa mangatsiaka ny andro.

Etimolojia[hanova | modifier le wikitexte]

Ny teny menaka dia avy amin'ny fototeny malayo-polinezianina andrefana « minyak » lasa nivadika menaka tamin'ny teny malagasy.

Laro[hanova | modifier le wikitexte]

  • Ny menaky ny voninkazo dia vita asidra matavy (acides gras) ary ny menaky ny biby dia vita estera gliserinina ; samihafa :
    • Ny menaka sakafo, avy amin'ny voninkazo na avy amin'ny biby. Izy ireo fia amboarina any amin'ny mpanao menaka, matetika amin'ny alàlan'ny fipotsirana ny vaonim-boninkazo mitera-menaka.
    • Ny menaka esansialy dia alaina amin'ny alàlan'ny fananihiana (distillation), noho ny havitsiny ao amin'ny zavatra nangalana azy. Matetika ampiasaina any amin'ny ranomanitra izy na any amin'ny kôsmetika.
Ny menaka ampiasaina ho an'ny môteran'ny fiarakodia na motera mandeha miaraka amin'ny hidirôkarbiora
  • Ny menaka mineraly dia fangaro hidirôkarbiora. Any Etazonia, ny petrôly dia lazaina fa menaka, izy io dia mety avy amin'ny fananihiana ny arintany na ny sista gidirô (schiste bitumineux). Matetika ampiasaina amin'ny mekanika izy.
  • Ny menaka motera dia ampiasaina ho an'ny motera mampiasa hidirôkarbiora.
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.