Magreba

Avy amin'i Wikipedia
Ny faritanin'i Magreba (manga)
Tanger, hita avy eo amin' ny lakandranon' i Gibraltar
Ny morontsiraka Marôkana tazanina avy eo Espaina

I Magreba dia faritra any Afrika Avaratra eo anelanelan' ny Ranomasina Mediteranea sy i Sahara ary ny Ranomasimbe Atlantika. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe al-Maghrib, fa amin' ny teny berbera kosa dia Tamazgha.

Ny mpanjanatany arabo voalohany tonga teo amin' io faritra io dia nanonona azy io hoe Jazirat al-Maghrib. I Magreba dia mamondrona an' i Tonizia sy i Aljeria ary i Marôka. Ankehitriny, mba tsy hisian' ny fifangaroana dia antsoina hoe "Magreba Kely" na "Magreba Afovoany" ny firenena telo maka ny Saikanosy Atlasiana any Afrika Avaratra. Ao amin' ny "Magreba Lehibe" dia misy an' i Maoritania sy i Sahara Andrefana ary i Libia.

Ny velarantanin' i Magreba dia 5 tapitrisa km2 eo anelanelan' ny lemaka mediteraneana sy ny faritr' i Sahara. Ny tanimatin' i Sahara dia misy ny ampahany be amin' i Magreba. Ny isan' ny mponina ao Magreba dia misy 73 tapitrisa, monina eo amin' ny morontsiraka, be rotsakorana kokoa, ny ankabeazan' ireo olona 73 tapitrisa ireo. Betsaka ny harena an-kibon' ny tany toy ny fôsfaty sy vy ary ny akoran' angovo (etona voajanahary sy solitany).

I Magreba, nandritry ny arivo taona mahery dia vondrona ara-jeôgrafia fa tsy ara-piteny, betsaka ny fiteny ao ka isan' izany ny fiteny arabo sy ny fiteny berbera. Samihafa amin' ny sisan' ny Tontolo Arabo sy ny Tontolo afrikana atsimon' i Sahara izy noho ny fahasamihafan' ny fiavian' ny mponiny, ary noho izany ny kolontsainy. Na dia mifanalavitra aza i Magreba sy i Masreka, ny fiteny arabo sy ny maha silamo no mamatotra ireo tontolo roa ireo. Ny tantarany ankehitriny dia voakasiky ny fanjanahantany frantsay sy espaniôla ary italiana. Ny kolontsain' i Eorôpa Andrefana koa dia naninteraka ao amin' i Magreba, ary mbola betsaka noho ny fianjadian' i Eorôpa any atsinanan' i Mediteranea ny fianjadiany ao Magreba.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fizaram-paritra ao Afrika:

Faritra hafa:

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.