Halifax

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ny tanànan'ny Halifax

Halifax dia tanàna renivohitry New Scotia na Nouvelle-Écosse. Ao ny foiben'ny Satrohan'ny New Scotia ary izy no tanàna ngeza indrindra any atsinanan'i Quebec. Ny tanànam-paritan'i Halifax dia foibe ara-toe-karenan'i Kanada sady betsaka sampandraharahan'ny governemanta sy orinasa tsy miankina amin'ny fanjankana. Ny tena mpampiasa dia ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, ny sampandraharahan'ny governemanta ary ny seranan-tsambon'i Halifax.

Fisiana[hanova | modifier le wikitexte]

Ny isan'ny mponina ao Halifax dia 350 000 (velarantanàna, isa tamin'ny 2001). Anisan'ny seranan-tsambo fanjonoana ngeza indrindra eto an-tany ny any sady seranan-tsambo (base navale) ngeza indrindra any Kanada. Tanàna ngeza indrindra eo amin'ny amorontsiraka kanadianina Halifax ary tanàna an-amorontsiraka fahafolo (any Kanada) eo aorian'i Vancouver any Kolombia Britanika. Any Halifax ny 40%n'ny isam-ponin'i New Scotia sy ny 15%n'ny faritany Atlantika.

Anisan'ny tanàna antitra indrindra any Kanada ny tanànan'ny Halifa satria niforona tamin'ny 9 Janoary 1749 izy. « Avant-poste » Britanika izy tamin'izany fotoana izany.

Tamin'ny 1917, toerana nipoahan'ny sambo Mont Blanc (sambo frantsay mitondra vanja) i Halifax. Talohan'i bomban'i Hiroshima tamin'ny 1945, ny fipoahan'i Halifax no fipoahana natanjaka indrindra

Ny sikilaonina Juan dia nikasikan'i Halifax tamin'ny 29 Septambra 2003, sikilaonina ngeza indrindra nahazo an'i Halifax io sikilaonina io hatramin'ny 1893. Betsaka ny olana napetrak'io sikilaonina io satria anisan'ny sikilaonina nanimba indrindra fantatry ny Kanada izy io hatr'izay.

Olo-malaza[hanova | modifier le wikitexte]

Jereo koa[hanova | modifier le wikitexte]

Rohy ivelany[hanova | modifier le wikitexte]