Fiteny wolof
Ny fiteny wolof dia fiteny any Senegaly, any Gambia ary any Maoritania. Ao amin'ny ratsana atlantika ny fiteny Nigero-kongolezy izy. Lavitra be amin'ny fiteny peul ny endriny. Manana fifandraisana amin'ny fitenin'ny faritra eo akaiky izy toy ny fiteny serere, ny diola, ny basari sy ny bainuk.
Misy miteny io fiteny io koa any Gambia sy any Maoritania, ary manana fiseho ara-kolo-tsaina ho azy manokana izy. Miankina amin'ny firaisan-kiny io ; mifankazo tsara ny mpitenin'ny faritra, ny mahasamihafa azy fotsiny dia ny roky sy ny teny indramina amin'ny fiteny hafa, ohatra : roky lebu, roky saint-louisien, sns.
Votoatiny |
Fomba fanoratana [hanova]
Nosoratana tamin'ny abidy arabo nofenoina ny fiteny wolof mandritry ny ela be. Mbola ampiasaina amin'ny soratra masina ny soratra arabo, fa mampiasa ny abidy latina ny fiteny wolof ankehitriny, fitsipika manokana hajaina mba hanoratra tsara ny fiteny wolof.
Fomba fanisana [hanova]
Décimal ny sytème fiisana amin'ny fiteny wolof, fa mampiasa système quinaire auxiliaire, enina ambin'ny roapolo ohatra dia tenenina hoe « ñaar fukk ak juroom benn » amin'ny fitrny wolof (roa folo sy dimy sy raika : 2×10+5+1)
Abidy ara-peo [hanova]
Renifeo [hanova]
| gropy p | gropy f | gropy w | gropy t | gropy k | gropy kj | gropy q | |
|---|---|---|---|---|---|---|---|
| manentsina | p b | t d | c j | k g | q | ||
| kentsona | m | n | ñ | ŋ | |||
| kentsona-mantentsina | mb | nt nd | nc nj | nk ng | nq | ||
| mipararetra | r | ||||||
| manery | f | s | x | ||||
| mitsoka | w | y | |||||
| misisiny | l |
Zanapeo [hanova]
| Antérieure | Centrale | Postérieure | |
|---|---|---|---|
| mihidy | i | u | |
| mihidy an-tsasany | é | ó | |
| Moyenne | ë | ||
| mivoa an-tsasany | e | o | |
| mivoa | a |